LESONA 24

NY ANDRO FAHAFITO NO SABATA, NA SABOTSY

Tahaka ny maha-androm-pirenena ny 26 Jona no maha-andron'ny vahoakan'Andriamanitra ny Sabotsy. Ny andro faha-7 amin'ny herinandro no Sabata, na Sabotsy. Izany dia andro firavoravoan'ny olona masina, androm-pahafinaretana ho an'ny fianakaviana, androm-pitahiana ho an'ny isam-batan'olona. Na ny tànana, na ny tongotra, na ny lela, na ny eritreritry ny zanak'Andriamanitra, amin'io andro malaza io, dia voatokana ho fanomezam-boninahitra avokoa an'Ilay Mpanjakan'ny mpanjaka.

Ny ankamaroan'ny kalandrie dia manomboka amin'ny Alatsinainy, ary izany dia mahadiso hevitra ny maro ka maha-tonga azy hihevitra fa ny Alahady no andro faha-7 amin'ny herinandro.

1- Inona avy ny andro ao amin'ny herinandro?
Andro voalohany = Alahady
Andro faharoa = Alatsinainy
Andro fahatelo = Talata
Andro fahefatra = Alarobia
Andro fahadimy = Alakamisy
Andro fahenina = Zoma
Andro fahafito = Sabotsy

2- Andro inona amin'ny herinandro no andro fahafito?
Valiny. Ny Sabotsy no andro fahafito, ary Alahady no andro voalohany amin'ny herinandro. Azo hamarinina ao amin'ny diksionera Larousse izany. Ny antony nanombohan'ny andro amin'ny Alatsinainy amin'ny kalandrie sasany dia satria ny Alatsinainy no fiantombohan'ny herinandro fiasana.

3- Antsoina hoe inona ny andro Zoma ao amin'ny Baiboly?
Valiny. Andro fiomanana. "Ary andro fiomanana izany andro izany, ka efa antomotra ny Sabata" (Lio. 23: 24). Ny andro fahenina, na Zoma, no andro nahafatesan'ny Tompontsika teo ambony hazo fijaliana; andro mialoha ny Sabata izany. Ny sakafo rehetra ilaina dia efa azo sy efa masaka araka izay azo atao. Ny kitay sy ny rano dia efa azo koa; ny fitafiana dia voasasa sy voapasoka. Ary rehefa tonga ny filentehan'ny masoandro, dia angonina ny fianakaviana hihira sy hivavaka amin'Andriamanitra.

4- Antsoina hoe inona ny andro manarakaraka ny Sabata?
Valiny. Alahady, na andro voalohany. "Ary tamin'ny Sabata dia nitsahatra ihany izy araka ny lalàna. Fa nony maraina koa tamin'ny andro voalohany amin'ny herinandro dia nankany amin'ny fasana izy ... Dia niditra izy, nefa tsy nahita ny fatin'i Jesosy Tompo" (Lio. 24: 1, 3).

a) - Mazava arak'izany fa ny andro voalohany no nitsanganan'ny Tompo. Iaraha-manaiky anefa fa ny Alahady no nitsanganany; ka dia andro voalohany amin'ny herinandro izany ny Alahady.

b) - Ary tsy azo lavina fa ny Alahady no andro voalohany, dia mazava ho azy koa fa ny Sabotsy no andro fahafito.

5- Andro fanaovana inona ny Alahady araka ny Baiboly?
Valiny. Anisan'ireo andro enina fanaovan-draharaha ny Alahady. "Izao no lazain'i Jehovah Tompo: Ny vavahadin'ny kianja anatiny izay manatrika ny atsinanana dia harindrina mandritra ny henemana fanaovan-draharaha; fa amin'ny Sabata ... no hivoha izy" (Ezek. 46: 1).



< LESONA 23                                                                                                                 LESONA 25 >

Commentaires

Articles les plus consultés