LESONA 23
Ny hevitry ny hoe Sabata dia fitsaharana. Isan-kerinandro dia mampahatsiaro ny olona Ilay Mpamorona azy ny Sabata. Fantatr'i Satana izany, ka dia nikelezany aina indrindra izay hanadinoan'ny olombelona ny Sabata, mba hahazoany azy hivavaka aminy, amin'ny alalan'ny andriamani-tsi-izy. Toy izany no isian'ny fanompoan-tsampy, na amin'ny fomba inona izany na amin'ny fomba inona. Tsy ny vatan-kazo na ny vato atao sokitra no inona, fa hevitra nampidirin'i Satana ireny fombam-pivavahana ireny, mba handraisany amin'ny fomba an-kolaka ny fitsaohana tokony ho an'ny Mpahary irery. Ny fanompoan-tsampy dia manaraka ny toetr'andro sy ny toe-tany, ka miseho amin'ny endrika faran'izay baribariana na faran'izay moderina.
Ny famantarana ary fa Andriamanitra Andriananahary no ivavahantsika dia ny fitandremana ny Sabata. Raha namoaka ny Zanak'Isiraely avy teny Egypta Andriamanitra, dia ny nampitandrina azy ny Sabata no nataon'i Mosesy voalohany indrindra. Mba hampibaribarian'i Jehovah ny maha-andro lehibe io androny io, dia nanao fahagagana telo isan-kerinandro Izy tany an-efitra tamin'ny nanomezany azy ny mana. Voalohany: nilatsaka avo roa heny ny mana tamin'ny zoma, andro fiomanana; faharoa: tsy nisy nilatsaka tamin'ny Sabata masina; fahatelo: tsy nasiso ny mana na dia notehirizina aza ny zoma alina, tsy tahaka ny isan'andro. Maharitra mandrakizay ny Sabata, dia tahaka ny maha mandrakizay ny fatoram-pitiavana misy eo amin'ny Mpahary sy ny zava-boahary.
1- Iza no nanao ny Sabata ary oviana?
Valiny. Andriamanitra mihitsy no nanorina ny Sabata, ary tamin'ny famoronana no nanaovany azy (Gen. 2: 1- 3).
2- Natao ho an'iza ny Sabata?
Valiny. "Natao ho an'ny olona" (Mar. 2: 27).
Ny hevitr'izany dia izao: Natao hahasoa ny olona ny Sabata, dia ny olona amin'ny maha-taranak'olombelona azy, tsy misy fanavakavaham-pirazanana, na fahasamifam-pirenena.
3- Inona no didy fahefatra ao amin'ny Didy Folo?
Valiny. "Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy. Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny raharahanao rehetra. Fa Sabatan'i Jehovah Andriamanitrao ny andro fahafito; koa aza manao raharaha akory hianao amin'izany, na ny zanakao-lahy, na ny zanakao-vavy, na ny ankizilahinao, na ny ankizivavinao, na ny biby fiompinao, na ny vahininao izay tafiditra eo ambavahadinao" (Eks. 20: 8 - 10, vakio koa and. 11).
4- Amin'ny inona no manomboka sy mifarana ny fitandremana ny Sabata?
Valiny. "Hatramin'ny hariva ka hatramin'ny ampitso hariva no hitandremanareo ny andro fitsaharanareo" (Lev. 23: 32). Araka ny Baiboly, dia manomboka amin'ny filentehan'ny masoandro sy mifarana amin'ny filentehan'ny masoandro ny andro iray; koa manomboka ny Zoma maty masoandro izany ny Sabata ary mifarana ny Sabotsy maty masoandro.
5- Inona no mahasamihafa an'i Jehovah amin'ny andriamanitra rehetra?
Valiny. Jehovah no nanao ny lanitra sy ny tany. "Fa Jehovah no Andriamanitra tokoa, eny, Izy no Andriamanitra velona sy Mpanjaka mandrakizay ... Ny amin'ny andriamanitra izay tsy mba nanao ny lanitra sy ny tany, dia ho levona tsy ho amin'ny tany na ho aty ambanin'ny lanitra ireny" (Jer. 10: 10, 11).
6- Inona no nasain' Jehovah hatao hahatsiarovana fa Izy no Mpanao ny lanitra sy ny tany?
Valiny. "Mahatsiarova ny andro Sabata hanamasina azy" (Eks. 20: 8).
Fahatsiarovana ny famoronana ny Sabata, koa raha mbola mitandrina ny Sabata ny olona dia tsy hanompo sampy na oviana na oviana.
7- Inona no raisin'izay manamasina ny Sabatan'i Jehovah?
Valiny. "Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy" (Gen. 2:3).
Ny zava-dehibe tamin'Andriamanitra tamin'ny nitahiany sy nanamasinany an'io andro io, dia ny mba handraisan'izay mitandrina azy fitahiana sy fanamasinana avy amin'ny fanatrehany.
8- Iza no atao hoe mahalala an'Andriamanitra?
Valiny. Izay mitandrina ny Sabata. "Ary manamasina ny Sabatako, mba ho famantarana ho amiko sy aminareo, ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrao" (Ezek. 20: 20).
< LESONA 22 LESONA 24 >
< LESONA 22 LESONA 24 >
Commentaires
Enregistrer un commentaire