LESONA 22
Ny zavatra kendren'Andriamanitra amintsika dia ny ho tia sy hitandrina ny didiny. Raha tsy noho ny fahasoavan'i Kristy anefa dia tsy ho tia na hahay hitandrina ny lalàn'Andriamanitra isika. Ny atao hoe fahasoavana dia famindrampo, famelan-keloka, fitiavana, fahamoram-panahy, dia zavatra izay ilaintsika olombelona malemy eo amin'ny làlan'ny fanamasinana. Raha tsy nisy lalàna, dia tsy ho nilaina ny fahasoavana. Raha tsy nisy fahasoavana talohan'i Kristy dia ho very avokoa izay maty talohan'ny nahatongavany. Tsy manafaka antsika amin'ny lalàna akory ny fahasoavana; fa kosa manala antsika amin'ny fanamelohan'ny lalàna. Ary rehefa nesorina tamin'ny fanamelohana isika, dia adidintsika ny miezaka kosa mba tsy hiverina indray eo ambany fanamelohan'ny lalàna.
1- Afaka hamonjy antsika ve ny lalàn'Andriamanitra.
Valiny. Tsia. Noho ny famindrampony, dia tsy vonjena noho ny fitandremantsika ny didin'Andriamanitra isika, satria tsy ho voatandrintsika araka ny izy na oviana na oviana mihitsy izany. Ka dia "tsy misy nofo hohamarinina amin'ny asan'ny lalàna" (Gal. 2: 16).
2- Koa nahoana ary no nomena ny olona ny Didy Folo?
Valiny. "Mpitaiza antsika ho amin'i Kristy" izy (Gal. 3: 24), ary koa "fitaratra" izay izahan'ny olona ny tarehiny (Jak. 1: 23).
Noty: raha mijery ny Didy Folo ny olona dia mahafantatra izy na mifanaraka amin'izany na tsia ny fiainany. Raha meloka izy dia manoro hevitra azy ny lalàna hankeo amin'i Kristy, hitalaho fahasoavana.
3- Ny inona ihany izany no hamonjena antsika?
Valiny. "Fa fahasoavana no namonjena anareo amin'ny finoana; ary tsy avy aminareo izany, fa fanomezana avy amin'Andriamanitra" (Efes. 2: 8).
4- Inona no atao hoe "ambanin'ny fahasoavana"?
Valiny. a) - Manaiky an'i Kristy ho maty nisolo heloka azy: "Tsy mahafoana ny fahasoavan'Andriamanitra aho; fa raha avy amin'ny lalàna ny fahamarinana, dia maty foana Kristy" (Gal. 2: 21). b) - Tsy minia mandika ny lalàna rehefa novonjena: "Ahoana ary? hanota va isika, saingy tsy ambanin'ny lalàna fa ambanin'ny fahasoavana? Sanatria izany" (Rom. 6: 15). d) - Tarihin'ny Fanahy Masina ka manana ny vokatry ny Fanahy: "Fa raha tarihi'ny Fanahy hianareo dia tsy ambanin'ny lalàna" (Gal. 5: 18).
5- Ary inona no atao hoe "ambanin'ny lalàna"?
Valiny. a) - Tsy manana ny finoana an'i Jesosy: "Fa fony tsy mbola tonga ny finoana, dia voambina tao amin'ny lalàna isika" (Gal. 3: 23). b) - Niala tamin'ny finoana an'i Jesosy: "Mbola hitoetra amin'ny ota ihany va isika hitomboan'ny fahasoavana? Sanatria izany! Hataontsika izay efa maty ny amin'ny ota ahoana no ho velona aminy indray" (Rom. 6: 1, 2). d) - Mitady hohamarinina amin'ny lalàna: "Dia tafasaraka amin'i Kristy hianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin'ny lalàna; efa lavo niala tamin'ny fahasoavana hianareo" (Gal. 5: 4).
6- Hatramin'ny oviana no efa nanjaka ny fahasoavana?
Valiny. Hatramin'i Adama sy Eva. Fa tsy nisy ota raha tsy nisy lalàna, ary tsy nilaina ny fahasoavana raha tsy nisy fandikan-dalàna.
7- Ahoana izany no ahaizantsika manaraka ny Didy Folo?
Valiny. Mianatra amin'i Kristy isika, ka izay tsy vitantsika dia ataony: "Mahay ny zavatra rehetra aho ao amin'Ilay mampahery ahy" (Fil. 4: 13).
Commentaires
Enregistrer un commentaire