LESONA 21
Misy lalàna karazany roa ao amin'ny Baiboly: ny Didy Folo sy ny lalàna seremoniely. Ny Didy Folo dia maharitra mandrakizay, satria lalàm-pitondrantena; fa ny lalàna seremoniely kosa dia tsy maharitra, satria lalàm-pisoronana fotsiny. Ny Didy Folo no lalàm-panorenanan'ny fanjakan'Andriamanitra, koa noho izany dia mitoetra tahaka an'Andriamanitra ihany izy; raha sanatria ka ka maty na miova Andriamanitra, vao miova na foana ny lalàny. Ny fandikana ny Didy Folo no mahameloka antsika; ary nisolo voina antsika, noho ny fandikana an'io lalàna io, no nahafatesan'i Kristy. Raha azo novana ny lalàna, dia tsy nilaina akory ny hahafatesan'ny Tompontsika.
Ny lalàna seremoniely dia nomena mba hanondro mialoha ny Mpamonjy Izay ho avy. Koa rehefa maty teo ambony hazo fijaliana Kristy, dia tanteraka avokoa ny zavatra noraketiny, ka rava teo izy. Tsy nilaina intsony ny hanao fanatitra, satria efa tonga Kristy, Ilay tena Fanatitra; tsy nilaina intsony ny mpisorona, satria Kristy no Tena Mpisorona; tsy nilaina intsony ny fanompoam-pivavahana levitika sy ny taberinakeliny, satria Kristy no manao ny tena fanompoam-pivavahana, ao amin'ny tena tabernakely any an-danitra.
1- Antsoina hoe inona ny lalàna seremoniely?
Valiny. "Lalàn'i Mosesy" (Dan. 9: 11).
2- Iza no nanoratra ny Didy Folo? Teo amin'ny inona no nanoratany azy?
Valiny. "Ary hoy Jehovah tamin'i Mosesy: Miakara eto amiko eto an-tendrombohitra ka mitoera eto, dia homeko anao ny vato fisaka izay misy ny lalàna sy ny didy, izay nosoratako hampianarina azy" (Eks. 24: 12).
3- Teo amin'ny inona kosa no nanoratan'i Mosesy didy sy fitsipika ho an'ny Zanak'Isiraely?
Valiny. "Voasoratr'i Mosesy teo amin'ny boky avokoa ny tenin'ity lalàna ity" (Deo. 31: 24).
4- Taiza avy no nametrahana ireo karazan-dalàna roa ireo?
Valiny. a) - Ny Didy Folo dia napetrak'i Mosesy "tao anatin'ny fiara" (Deo. 10: 4, 5); b) - Ny bokin'ny lalànan'i Mosesy kosa dia teo "anilan'ny fiaran'ny faneken'i Jehovah" fotsiny no nipetrahany. (Deo. 31: 24 - 26).
5- Taiza no nahafoana ny didy tao amin'ny lalàn'i Mosesy?
Valiny. "Ary novonoiny ny sora-tànan'ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka nohomboany tamin'ny hazo fijaliana" (Kol. 2: 14, 15).*
6- Anisan'ny sabata inona ireo andro fitsaharan'ny lalàn'i Mosesy?
Valiny. "Sabatanareo", izany hoe tsy ny Sabatan'i Jehovah ao amin'ny Didy Folo tsy akory (Lev. 26: 35); fa ireo andro fitsaharana sy firavoravoan'ny Isiraelita teo amin'ny fanompoam-pivavahany (Lev. 23: 4, 5, 27).
7- Inona no teny milaza fa foana ireo sabata voalazan'ny lalàn'i Mosesy?
Valiny. "Koa aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny sabata; aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i Kristy" (Kol. 2: 16, 17).*
Noty: Ny Jiosy tonga Kristiana dia nitady hampitandrina ny lalàn'i Mosesy an'ireo Jentilisa tonga Kristiana. Nohazavain'ny Apostoly Paoly anefa fa efa foana ireny didy ireny ka tsy misy antony tokony hitandremana azy intsony.
Commentaires
Enregistrer un commentaire