Fanazavana fanampiny

3. 10 TOA TSY DIA MANINONA LOATRA NY TSY FITANDREMANA NY SABATA ARAKA NY HITA AO AMIN'NY KOLOSIANA 2: 14 - 17: "ARY NOVONOINY NY SORA-TANAN4NY DIDY IZAY NIAMPANGA ANTSIKA; DIA NESORINY TSY HO EO MIHITSY IZANY KA NOHOMBOANY TAMIN'NY TENANY NY FANAPAHANA SY NY FAHEFANA SY NY FAHEFANA, ARY NOHO NY HAZO FIJALIANA DIA NASEHONY MIHARIHARY NY FITONDRANY IREO TOY NY FANAON'IZAY AVY NANDRESY. KOA AZA AVELA HISY HITSARA ANAREO NY AMIN'NY FIHINANA, NA NY FISOTRO, NA NY ANDRO FIRAVORAVOANA? NA NY VOALOHAM-BOLANA, NA NY SABATA; ALOKY NY ZAVATRA HO AVY IRENY, FA NY TENANY DIA AN'I KRISTY". MOA VE IREO TENY IREO DIA MIDIKA FA TSY MANANA NY VIDINY INTSONY NY FITANDREMANA NY ANDRO SABATA?

Io andininy izay voalaza etsy ambony io dia tonga amin'ilay fitenin'ny apostoly Petera raha nilaza ny momba ny epistily nosoratan'i Paoly izy manao hoe: "... Tahaka ny voasoratr'i Paoly, rahalahy malalantsika taminareo koa araka ny fahendrena nomena azy, tahaka ny ataony ao amin'ny epistiliny rehetra koa, fa milaza izany zavatra izany ao aminy izy; ary amin'ireo dia misy zavatra saro-pantarina, izay aolan'ny olona kely fahalalana sady tsy miorina tsara, tahaka ny anaovany ny teny sasany amin'ny Soratra Masina koa, ka mahatonga fahaverezana ho an'ny tenany". 2Petera 3: 15a - 16.

Ny KOLOSIANA 2: 14 - 17 dia anisan'ireo teny saro-draisina ao amin'ny epistily rehetra nosoratan'i Paoly. Na dia izany aza, dia azo atao tokoa ny mitondra fanazavana momba izany. Mipetraka ny fanontaniana: Nahoana moa ny apostoly Paoly no nanoratra an'io teny io? Inona no tena tiany hambara? Moa ve ny fanambarana momba ny tsy mampisy vidiny ny SABATA intsony no aseho eto?

Tsara aloha ny mahafantatra fa nanana olana ireo Kolosiana fahizay izay voalaza eto. Ny andininy manontolo ao amin'ny Kolosiana toko faharoa dia manambara izany. Nisy fironana ho amin'ny filôzôfia hafa kely izay milaza fa hahatongavana eo amin'ny fanamperana amin'ny fahalalana ny momba an'Andriamanitra, dia tsy maintsy tompoina ny anjely (KOLOSIANA 2: 15, 18, 19, 23). Vokatr'izany dia nisy fombafomba ivelany tsy maintsy narahina (2: 23, 16- 21); nisy andro tsy maintsy nomena lanja manokana. Izany rehetra izany dia notoherin'ny apostoly Paoly fa tsy misy afa-tsy amin'ny alalan'i KRISTY irery ihany no hany ahazoana ny fiainana feno. (KOLOSIANA 2: 9, 10; 1: 15- 20; 3: 3).

Tsy tokony hitady zavatra hafa ankoatra an'i KRISTY ny Kolosiana eo amin'ny fikarohana ny famonjena. Tao amin'i KRISTY no nisehoan'ny famelana feno ny fahotana. Ambaran'i Paoly ao amin'ny KOLOSIANA 2: 14, 15 fa "novonoiny ny sora-tanan'ny didy izay niampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany kanohomboany tamin'ny hazo fijaliana, ary nesoriny tsy ho eo amin'ny tenany ny fanapahana sy ny fahefana, ary noho ny hazo fijaliana dia nasehony miharihary ny fitondrany ireo toy ny fanaon'izay avy nandresy". Ny didin'Andriamanitra ve no novonoina sy nesorina, ary nohomboana teo amin'ny hazo fijaliana araka ny tenin'i Paoly?

Ny fahalalana ny dikan'ny hoe: " Sora-tanana" araka ny hita ao amin'ny KOLOSIANA 2: 14 no afaka manampy antsika eo amin'izay KOLOSIANA 2: 14 no afala manampy antsika eo amin'izay tian'ny  apostoly Paoly holazaina. Araka ny teny fototra, ny "sora-tanana" hita eto dia antsoina hoe "CHEIROGRAPHON" izay midika ho taratasy fanekena fa hananana trosa ny tena: "Accord écrit", "reconnaissance de dette". Moa ve didin'Andriamanitra tokoa no ambara fa sora-tanana novonoina eto ka noho izany dia tsy misy intsony ny fiampangana? Sarotra ny hanaiky izany satria atao ahoana moa ny hanombo eo amin'ny hazo fijaliana ny lalàna izay ambaran'i Paoly fa "masina, marina, tsara"? (ROMANA 7: 12). Ny "CHEIROGRAPHON" tsy lalàna fa taratasy fanekena fa hananana trosa ny tena. Raha raisina ny dikany eto amin'ity KOLOSIANA 2: 14 ity dia hoe: Rehefa nanota ny olona iray dia naman'ny tratran'ny trosa ho amin'ny fahafatesana, fa rehefa mibebaka izy dia foana izany. Noho izany, ny tian'ny apostoly Paoly ambara eto dia ny filazana fa nohomboana teo amin'ny hazo fijaliana ny fanamelohana ho an'izay mibebaka sy voavela heloka. Matoa misy ny famelana dia mbola mitoetra ny didy ary didy tsy azo ovàna izany. Hoy ihany ny apostoly Paoly ny amin'ny faharetan'ny didy: "Fa fahafatesana no tambin'ny ota; ary fiainana mandrakizay no fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ao amin'i KRISTY JESOSY TOMPONTSIKA" ROMANA 6: 23.

Raha izany àry, ahoana no fomba handraisana ilay teny mitohy avy hatrany amin'ny KOLOSIANA 2: 14, 15 dia ny andininy 16, 17 izany? Marihina fa eto dia tsy milaza ny apostoly Paoly fa foana ny lalàna, Hoy izy: "Aza avela hisy hitsara anareo ny amin'ny fihinana, na ny fisotro, na ny andro firavoravoana, na ny voaloham-bolana, na ny SABATA; aloky ny zavatra ho avy ireny, fa ny tenany dia an'i KRISTY". Raha vao ny teny hoe "mitsara" moa no ampiasaina dia midika ho fanambarana ny hevitry ny tena manokana izany. Ny hevitry ny tena manokana momba ireo fety na fitandremana andro. Samy misy antony avy manosika ireo Kolosiana hanaraka ireo fomba izay voalaza. Ny ankamaroany dia manao izany satria izay no lalana sy fomba mety hitondra azy ho amin'ny famonjena ary koa miaro azy amin'ny hery hafa. Eto dia miteny mafy ny apostoly, mba ho fanitsiana ny hevi-diso ka manamafy fa ny antony nahatongavan'i KRISTY dia ny fanatanterahana ny famonjena. Noho izany ny zava-drehetra dia tokony hatao noho i KRISTY. Ary dia KRISTY no foto-kevitra manosika ny tena eo amin'ny zava-drehetra.

Tsy dia momba ny fanovàna ny didy loatra no tiana hambara ao amin'ny KOLOSIANA 2: 14 - 17 araka ny fiheveran'ny sasany azy, fa fomba fiainana ny famonjena noraisina kosa no nantitranteriny eto. Hoy ihany izy ao amin'ity epistily ity: "Ary na inona na inona ataonareo, na amin'ny teny, na amin'ny asa, dia ataovy amin'ny anaran'i JESOSY Tompo izany rehetra izany, ka misaora an'Andriamanitra Ray amin'ny alalany" KOLOSIANA 3: 17.


Notsongaina avy tao amin'ny asa-soratr'i Elioenay RAJAONAH, Tsangambato narodana nefa tsy lavo, fizarana fahatelo.



< LESONA 21

Commentaires

Articles les plus consultés