Fantatrao ve ireo hazo telo miavaka indrindra ao amin'ny Baiboly?
1- Hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy
Gen. 2: 16, 17 - "Ary Jehovah Andriamanitra nandidy an-dralehilahy ka nanao hoe: Ny hazo rehetra eo amin’ ny saha dia azonao ihinanana ihany; fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa hianao".
Gen. 3: 24 - "Eny, noroahiny ny olona; ary nampitoeriny tany atsinanan’ ny saha Edena. Ny kerobima sy ny lelafon’ ny sabatra mihebiheby no hiambina ny lalana mankany amin’ ny hazon’aina".
Tamin'alahelo mafy i Mosesy raha nanoratra an'io, satria lavo ny zanak'olombelona. Nitranga ny loza samihafa, satria lavo ireo ray aman-drenintsika izay nomen'Andriamanitra safidy tsara.
Fa nampanantena Mpamonjy Iray kosa Andriamanitra, tamin'ny alalan'ny hazo, dia ny hazo fijaliana izany, izay napetraka tao Kalvary. Fa inona no zava-niseho?
2- Hazo fijaliana
Jao. 19: 16- 18 - "Ary tamin’ izany Pilato dia nanolotra Azy taminy mba hohomboana amin’ ny hazo fijaliana. Dia noraisin’ ireo Jesosy; ary Izy nitondra ny hazo fijaliany, dia nankany amin’ ny tany atao hoe Ikarandoha, izay atao amin’ ny teny Hebreo hoe Golgota. Teo no nanomboana Azy tamin’ ny hazo fijaliana. Ary nisy roa lahy koa niaraka taminy, iray avy teo an-daniny roa, ary Jesosy teo afovoany".
Ilay Zanak'Andriamanitra dia nofantsihina teo amin'ny hazo fijaliana mba ho fanavotana ahy sy anao. Izaho sy ianao no tokony ho faty teo amin'ny toerany.
Isa. 53: 4, 5 - "Nitondra ny aretintsika tokoa Izy, sady nivesatra ny fahoriantsika; kanjo isika kosa nanao azy ho nokapohina sy nasian’ Andriamanitra ary nampahorina. Nefa Izy dia voalefona noho ny fahadisoantsika sy notorotoroina noho ny helotsika, ny fampijaliana nahazoantsika fihavanana no namelezana Azy; Ary ny dian-kapoka taminy no nahasitranana antsika".
Tiany handova ny fiainana mandrakizay izaho sy ianao. Teo amin'ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy i Adama sy Eva dia nisafidy ny hanota. Eny, tsy nankato an'Andriamanitra ireo razam-bentsika. Nanome vahaolana ny amin'izany anefa Jehovah.
Mat. 27: 41, 42 - "Ary dia naneso toy izany koa ny lohan’ ny mpisorona mbamin’ ny mpanora-dalàna sy ny loholona ka nanao hoe: ny sasany novonjeny; fa ny tenany tsy hainy vonjena. Mpanjakan’ ny Isiraely Izy, aoka hidina hiala amin’ ny hazo fijaliana Izy ankehitriny, dia hino Azy izahay".
Nasehon'i Jesosy Kristy teo amin'ny hazo fa tsy amin'ny alalan'ny fahagagana no hamonjena antsika. Nanao fahagagana tokoa Jesosy. Tadidintsika ny namokisany lehilahy tsy omby dimy arivo, tamin'ny alalan'ny hazan-drano roa sy mofo dimy ? Taiza ary ireo vahoaka ireo tamin'ny fotoana nanombohana an'i Jesosy teo amin'ny hazo fijaliana ? Moa anisan'ireo niteny hoe: " homboy Izy", sa kosa anisan'ireo nitsetra ny Tompo ka niteny hoe: " Zanak'Andriamanitra io Olona io". Nisy jiolahy teo amin'ny andaniny roa.
Lio. 23: 39, 40 - " Ary ny anankiray tamin’ ireo olon-dratsy nahantona teo ireo dia niteny ratsy Azy ka nanao hoe: Tsy Hianao va no Kristy? vonjeo ny tenanao sy izahay. Fa namaly kosa ilay anankiray, sady nananatra ny namany ka nanao hoe: Moa hianao koa tsy mba matahotra an’ Andriamanitra na dia izao samy voaheloka izao aza? Ary marina ny anamelohany antsika, satria mandray ny valin’ ny nataontsika isika; fa ity Lehilahy ity kosa tsy mbola nanao zavatra tsy mety na dia kely akory aza. Ary hoy izy: Jesosy ô, tsarovy aho, rehefa avy amin’ ny fanjakanao Hianao. Dia hoy Jesosy taminy: Lazaiko aminao marina tokoa: Anio no hihaonanao Amiko any Paradisa".
Ny finoanao an'i Jesosy Kristy no hahatonga anao any amin'ny Paradisa, hahazoanao fiainana mandrakizay. Eo amin'ny hazo fijaliana no miseho ny famelan-keloka. Banjino Kristy dia tsy ho lavo ianao. Aza mijery olona.
Jao. 3: 3 - " Jesosy namaly ka nanao taminy hoe: Lazaiko aminao marina dia marina tokoa: Raha tsy hateraka indray ny olona, dia tsy mahazo mahita ny fanjakan’ Andriamanitra". Raha tsy ateraky ny rano sy ny Fanahy ny olona iray dia tsy afaka mahita ny hazo fahatelo. Inona moa izany ?
Lavo ny zanak'olombelona. Fa nivoaka ho mpandresy kosa isika teo amin'ny hazo fijaliana. Iza ary isika no te hahita io hazo fahatelo io ? Io no antsoina hoe hazon'aina. Very tao amin'ny saha Edena izy io.
3- Hazon'aina
Apok. 22: 1, 2 - " Ary izy naneho ahy onin’ ny ranon’ aina, manganohano tahaka ny vato krystaly, nivoaka avy teo amin’ ny seza fiandrianan’ Andriamanitra sy ny Zanak’ ondry teo afovoan’ ny làlambeny. Ary teny an-daniny roa amin’ ny ony nisy hazon’ aina mamoa voa roa ambin’ ny folo samy hafa sady mamoa isam-bolana; ary ny ravin’ ny hazo dia ho fanasitranana ny firenena maro".
Hazo tsy mbola hitan'ny mason'olombelona izany. Koa, mifidiana an'i Jesosy Kristy dia hahita an'io hazon'aina io ianao.
Apok. 22: 14, 19 - " Sambatra izay manasa ny akanjony, mba hananany fahefana amin’ ny hazon’ aina sy hidirany amin’ ny vavahady ho ao an-tanàna. Ary raha misy manaisotra amin’ ny teny amin’ ny bokin’ ity faminaniana ity, dia hesorin’ Andriamanitra ny anjarany amin’ ny hazon’ aina sy amin’ ny tanàna masina, dia izay zavatra voasoratra eto anatin’ ity boky ity".
Moa ve olombelona no jereko, sa Kristy no banjiniko ? Hoy Izy aminao: " Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana".
Vavaka: Tompo ô, fantatray fa hiankinan'aina ny valinteninay amin'izany isafidy izany. Koa ampio izahay. Aoka ny Fanahinao Masina hitarika anay, hanoro lalana anay, ary hampianatra anay ny zavatra rehetra. Fa izahay kosa hihaino sy hankato ary hanatanteraka ny baikonao. Amin'ny anaran'i Jesosy. Amen !

Commentaires
Enregistrer un commentaire