Meloka, nefa voavela ihany
Aza hadino ny herin'Andriamanitra izay nahantona tamin'ny hazo, nitondra famelan-keloka ho antsika.
Ny fanafahana hilaiko:
Matio 6: 13 - " Ary aza mitondra anay ho amin’ ny fakam-panahy, fa manafaha anay amin’ ny ratsy".
Matio 6: 34 - " Ary amin’izany, dia aza manahy ny amin’ ny ampitso hianareo; fa ny ampitso hanahy ny azy. Ampy ho an’ ny andro ny ratsy miseho ao aminy".
( izany hoe raha misy ratsy miseho eo aminao amin'ny mason'andro anio, dia ampy ho amin'io andro io izany, miseho ao amin'ny andronao androany)
Ny vavaka nampianarin'i Jesosy eto dia misy teny hoe ratsy roa samihafa.
Amin'ny teny grika, dia samy hafa ny voambolana nampiasaina amin'ireo voambolana roa ireo.
- Poneros = manafaha anay amin'ny ratsy;
- Kakos = ampy ho an'ny andro ny ratsy miseho ao aminy.
Ny maha samy hafa an'ireo ratsy roa ireo:
Kakos, Matio 6: 31, 32 - " Dia aza manahy hianareo ka manao hoe: Inona no hohaninay? na: inona no hosotroinay? na: inona no hotafinay? Fa izany rehetra izany dia katsahin’ ny jentilisa fatratra; fa fantatry ny Rainareo Izay any an-danitra fa tokony ho anareo izany rehetra izany".
Noho izany, 'zay mikatsaka fatratra an'ireo dia atao hoe jentilisa. Koa, amin'ny maha zanany anao, dia katsaho aloha ny fanjakany sy ny fahamarinany.
Ny Kakos izany dia avy any ivelako. Atao, ahatra amintsika. Ampy ho an'ny andro. Koa, matoa io miseho eo amintsika dia hoentin'Andriamanitra hanefena ahy sy ianao.
Fa inona ary no atao hoe Kakos ? Tsy fahampian-kanina na fitafy.
Romana 8: 35 - " Iza no hahasaraka antsika amin’ ny fitiavan’ i Kristy? Fahoriana va, sa fahantrana, sa fanenjehana, sa mosary, sa fitanjahana, sa loza, sa sabatra?"
Mitanisa ny Kakos na koa hoe ratsy io andininy io eto. Ampy ho an'ny andro ny ratsy miseho ao aminy. Misy ny kakos avy any ivelany ahatra amintsika.
Ohatra: aretina, tsy afa-panadinana, nofosaina, rivo-doza, mosary. Tsy maha very anao ireo.
Poneros, Marka 7: 21 - 23 - " Fa avy ao anatin’ ny olona dia avy ao am-pony, no ivoahan’ ny sain-dratsy, dia ny fijangajangana, ny halatra, ny vonoan-olona, ny fakam-badin’ olona, ny fieremana, ny lolom-po, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny maso ratsy, ny fitenenan-dratsy, ny avonavona, ny fahadalana. Izany zava-dratsy rehetra izany no mivoaka avy ao anatin’ ny olona ka mahaloto azy".
Avy ao anatin'ny sain'ny olona no ivoahan'ny ratsy, dia ny fieremana, fitiavan-karena diso tafahoatra, halatra sy ny hafa.

Ny Poneros izany dia avy ao anatiko, ny ataontsika. Mahavery ahy izany. Mila fanafahana fa mahavery.
Ny zavatra tena atahoran'i Satana indrindra dia ny hanadiovan'ny olona iray ny fahalemeny rehetra, ka handrotsahan'Andriamanitra ny Fanahiny. Hoy ny apostoly Paoly ao amin'ny Romana 7: 19 - " Fa tsy ny tsara izay sitrako no ataoko fa ny ratsy izay tsy sitrako no ataoko".
Romana 7: 24 - "Indrisy, olo-mahantra aho ! Iza no hanafaka ahy amin'ny tenan'ity fahafatesana ity?"
Nanana ny poneros-ny koa i Paoly apostoly.
Hoy Jesosy mamaly izany, Jaona 8: 36 - "Koa raha ny Zanaka no hahafaka anareo, dia ho afaka tokoa hianareo".
Isaia 1: 16, 18 - "Misasà hianareo, diovy ny tenanareo, Esory tsy ho eo anoloan’ ny masoko ny ratsy fanaonareo; Mitsahara, fa aza manao ratsy. Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehovah: Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, Dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, Na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, Dia ho tahaka ny volon’ ondry fotsy".
Vavaka: Tompo ô, misaotra noho ny Teninao manome fahazavsan-tsaina anay. Te hiala amin'ny ratsy izahay, nefa toa lavo matetika koa. Te handroso, nefa toa mihemotra ihany koa. Kanefa Tompo ô, mbola manome toky Hianao fa eo Jesosy Tompo, 'zay mampanantena ny fandreseny sy ny fahamarinany ho anay tsirairay avy. Koa amin'ity androany 'ty Tompo ô, dia havaozinay ny fanoloran-tenanay. Raiso 'zahay Tompo ô, ary tariho, hazony mba ho tafajanona eo Aminao. Ampio 'zahay mba hanao fanandramana, fitomboana ao Aminao, mba ho tonga vehivavy sy lehilahy vaovao, ary mpandresy ao Aminao. Amin'ny anaran'i Jesosy. Amen.

Commentaires
Enregistrer un commentaire