Moa tianao ve ny ho mpandresy ?
Eny, mpandresy isika satria afaka tamin'ny fatorana tany ambadika rehetra tany. Aza hadino koa fa teraka mba ho mpandresy isika.
Ny miaramila any an'ady, raha tiany ny hivoaka ho mpandresy dia hilaina ny mandray toro-hevitra, toro-marika, raha tsy izany dia ho resy an'ady izy ireo. Ny mpilalao baolina ihany koa matoa mandresy dia efa nanaraka tsara ny fanazaran-tena, ny toro-hevitra rehetra nomen'ny mpanazatra.
Raha nateraka ho mpandresy ary isika, dia aiza no hahatanteraka izany?
Rehefa natao batisa Jesosy dia nankany an'efitra. Nalain'ny devoly fanahy nandritra ny efapolo andro Izy. Matio 4: 1. Naka fanahy an'i Jesosy, Ilay nateraka ho mpandresy ny devoly, ka hoy izy Taminy:
"... teneno ho tonga mofo ireto vato ireto" - Matio 4: 3b. Dia namaly azy Jesosy hoe: "Tsy mofo ihany no hiveloman’ ny olona, fa ny teny rehetra izay aloaky ny vavan’ Andriamanitra" - Matio 4: 4.
Matio 4: 5, 6 - "Ary ny devoly nitondra Azy nankany amin’ ny tanàna masina ka nampitoetra Azy teo an-tampon’ ny tempoly, dia nanao taminy hoe: raha Zanak’ Andriamanitra Hianao, mianjerà any ambany any; fa voasoratra hoe: Izy handidy ny anjeliny ny Aminao; Ary eny an-tànany no hitondran’ ireo Anao, Fandrao ho tafintohina amin’ ny vato ny tongotrao". Dia hoy Jesosy taminy : "Voasoratra hoe koa: Aza maka fanahy an’ i Jehovah Andriamanitrao" - Matio 4: 7.
Matio 4: 8 - "Ary ny devoly nitondra Azy indray nankany an-tendrombohitra avo dia avo, ka naneho Azy ny Fanjakana rehetra amin’ izao tontolo izao mbamin’ ny voninahiny, dia nanao Taminy hoe: Izao rehetra izao dia homeko Anao, raha hiankohoka eto anatrehako Hianao". Fa hoy Izy: "Jehovah Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery ihany no hotompoinao" - Matio 4: 10b.
Tandremo, rehefa hitan'i satana isika fa mihazakazaka etsy sy eroa dia mety ho tafintohina. Rehefa reraka isika dia eo koa no asesik'i satana ny fakam-panahy maro samihafa, toy ny hoe miankohofa amin'ny vola. I Jesosy dia tsy resin'ny fakam-panahy, satria Izy dia niondana ny Tenin'Andriamanitra. Koa aza matory, vakio isan'andro ny Baiboly.
Inona no tokony hatao mba hanomezan'i Kristy ny fandresena?
Matio 8: 24- Ny nampitsaharan'i Jesosy ny tafio-drivotra.
Tao anaty sambo Jesosy. Izy no mpanome ny toro-marika rehetra. Nefa natory Izy teto, satria reraka, reraka toy ny olona rehetra ihany koa. Sahiran-tsaina ireto mpianatra. Farany, nofohaziny ny Tompo dia nampitsahatra ny tafio-drivotra mahery Izy. Gaga indray ireto mpianatra, satria na ny rivotra aza nanaiky Azy. Tena mpandresy Io. Aza mahatoky loatra ny herintsika, na havelantsika Kristy hatory. Inona no hatao? Hialao ny fahatokian-tena.
Jakoba 4: 7, 8a- "Ka dia maneke an’ Andriamanitra hianareo; ary manohera ny devoly, dia handositra anareo izy. Manatòna an’ Andriamanitra, dia hanatona anareo Izy".
Ny fanalahidin'ny fandresena? Tokana izy io.
Fantatrao ilay zanaka adala? Manana ny ampy ireo ray aman-dreniny, misy ambiny aza. Hoy ilay zanaka adala: "omeo ahy ny anjara lovako". Diso tia zanaka loatra ny rainy eto. Fa mbola niasa tao amin'ilay zanaka adala ny Fanahin'Andriamanitra. Tonga ny fotoana, dia niverina tao an-tranon-drainy izy. Tafaverina ao am-bala indray ilay zanaka adala. Henoy ny hafatry ny mpaminany Amosa, Joela.
Matio 24: 33 - Efa akaiky , mby eo am-baravarana Ilay Kristy Mpandresy.
Nateraka ho mpandresy isika, ary tazomy amin'izany Teniny izany Izy.
Jaona 17: 3 - "Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahafantatra Anao, Izay Andriamanitra tokana sady marina, sy Jesosy Kristy, Izay efa nirahinao".
Filipiana 3: 13b - "manadino izay zavatra ao aoriana, ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha". Hadinoy ny lasa ratsy rehetra.
Tonga ny fotoana tokony hiovàna, koa mahaiza manitsy ny tsy mety. Vonona hanampy anao ny Tompo, dia hivoaka mpandresy hianao. Teny fampanantenàna no atolony anao ao amin'ny Jaona 14: 27 - "Fiadanana no havelako ho anareo, ny fiadanako no homeko anareo; tsy tahaka ny fanomen’ izao tontolo izao no fanomeko anareo. Aza malahelo na matahotra ny fonareo".
Jaona 16: 33b - "nefa matokia; Izaho efa naharesy izao tontolo izao".
Mitady fandresena, fiadanana isika? Raiso ao amin'ny Tompo izany.
Romana 8: 37b - "manoatra noho ny mpandresy isika amin’ ny alalan’ Ilay tia antsika".
Hafatry ny Apostoly Jaona ho an'ny Fiangonana fito tany Efesosy:
Apokalypsy 2: 7b - "Izay maharesy dia havelako hihinana ny avy amin’ ny hazon’ aina, izay eo amin’ ny Paradisan’ Andriamanitra".
Apokalypsy 3: 5a - Hafatra ho an'ny Fiangonana Sardisy: "Izay maharesy dia hitafy lamba fotsy tahaka ireo koa, ary tsy hamono ny anarany eo amin’ ny bokin’ ny fiainana tokoa Aho".
Apokalypsy 3: 21a - "Izay maharesy dia havelako hiara-mipetraka Amiko eo ambonin’ ny seza fiandrianako".
Koa, aza manaiky ho resy intsony. Aoka hampifantoka ny fijerintsika eo amin'i Jesosy mandrakariva.

Commentaires
Enregistrer un commentaire