Ho avy indray Jesosy hamonjy antsika
Ka inona ary ny fiomanana tokony hatao mba handovana ny fiainana mandrakizay miaraka amin'i Jesosy Kristy?
Izao no voalazan'ny 1Jaona 3: 3 - "Ary izay rehetra manana izany fanantenana miorina Aminy izany, dia manadio ny tenany mba hadio tahaka Azy."
Ny fiverenan'i Jesosy no hany fanantenana azo antoka eto an-tany.
Inona tokoa moa no zavatra azo ianteherana ato amin'ity Planeta marary ity? Manadio ny tenany ireo zay manana izany fanantenana izany.
Feno loton'ny fahotana ity tany ity, ary mahazo antsika izany loto izany. Andriamanitra izay miandry antsika any an-danitra anefa dia madio sady masina. Noho izany, tsy maintsy manadio ny tenany izay te ho afaka ny hiara-monina Aminy. Amin'ny teny hafa dia fibebahana sy fiovam-po no iantsoana an'izany.
Antsoin'Andriamanitra hoe masina ny olona mino an'i Jesosy, sy manadio ny tenany. Olona velona no ambara fa masina ao amin'ny tenin'Andriamanitra. Hoy ny Hebreo 12: 14 - "Miezaha mitady fihavanana amin’ ny olona rehetra ary fahamasinana; fa izay tsy manam-pahamasinana dia tsy hahita ny Tompo". Hahakasika ny velona sy ny maty ny hiverenan'i Jesosy eto an-tany, satria hitsara ny velona sy maty Izy. Hoy ny apostoly Paoly, araka ny voasoratra ao amin'ny 2Timoty 4: 1 - " Eo anatrehan’ Andriamanitra sy Kristy Jesosy, Izay hitsara ny velona sy ny maty, ary noho ny amin’ ny fisehoany sy ny fanjakany, no ananarako anao mafy".
Fotoana hamaranan'i Jesosy ny fahotana sy ny fahatesana io andro io. Fotoam-pandresena, izay hamaliany soa ireo izay niandany Taminy teto amin'ity tany ity. Ho fohaziny ireo maty tao Aminy, Apokalypsy 14: 13 - "Ary nahare feo avy tany an-danitra aho nanao hoe: Soraty: Sambatra ny maty, dia izay maty ao amin’ ny Tompo hatramin’ izao. Eny, hoy ny Fanahy, fa hitsahatra amin’ izay nisasarany izy; fa ny asany manaraka azy".
Ireo izay velona tao Aminy ihany no maty ao Aminy koa. Hisokatra ny fasana. Hivoaka velona avy ao ny voavonjy. Azo antoka fa hampihorohoro izany toe-javatra izany. Efa nampiomana mialoha ny amin'izany Jesosy. Hoy Izy ao amin'ny Jaona 5: 28, 29 - "Aza gaga amin’ izany; fa avy ny andro izay handrenesan’ ny olona rehetra any am-pasana ny feony; dia hivoaka izy: izay nanao ny tsara dia ho any amin’ ny fitsanganana ho fiainana, fa izay nanao ratsy kosa dia ho any amin’ fitsanganana ho fahamelohana".
Tantarain'i Paoly apostoly mialoha sahady ny zavatra hitranga amin'izany fotoana izany. Hoy izy ao amin'ny 1Korintiana 15: 51 - 55 - "Indro, zava-miafina no ambarako aminareo: tsy hodi-mandry avokoa isika rehetra. Fa vetivety, toy ny indray mipi-maso, rehefa maneno ny trompetra farany, dia hovana isika rehetra. Fa hotsofina ny trompetra, ary ny maty hatsangana tsy ho lò intsony, ary isika hovana. Fa ity mety lò ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahalòvana, ary ity mety maty ity tsy maintsy hitafy ny tsi-fahafatesana. Fa rehefa mitafy ny tsi-fahalòvana ity mety lo ity, ary mitafy ny tsi-fahafatesana ity mety maty ity, dia ho tanteraka ny teny voasoratra hoe: Ny fahafatesana noresena ka levona. Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao?".
Amin'ny fiverenan'i Jesosy fanindroany eto an-tany indray no hahatanteraka an'izany.
Rehefa natsangan'i Jesosy ireo maty tao Aminy. Ary efa novàna, ka mitafy ny tsi-fahalovana ireo velona niandry Azy, dia izy ireo no hiakatra velona ho any an-danitra. Mamaly izany ny apostoly Paoly ao amin'ny 1Tesaloniana 4: 15 - 17 - "Fa izao no lazainay aminareo amin’ ny tenin’ ny Tompo: isika, izay velona ka mbola mitoetra mandra-pihavin’ ny Tompo, dia tsy mba hialoha izay efa nodi-mandry tsy akory. Fa ny tenan’ ny Tompo no hidina avy any an-danitra amin’ ny fiantsoana sy ny feon’ ny arikanjely ary ny trompetran’ Andriamanitra, ka izay maty ao amin’ i Kristy no hitsangana aloha; ary rehefa afaka izany, dia isika izay velona ka mbola mitoetra no hakarina hiaraka Aminy ho eny amin’ ny rahona hitsena ny Tompo any amin’ ny habakabaka. Dia ho any amin’ ny Tompo mandrakariva isika".
Mazava eto fa tsy misy miakatra mialoha any an-danitra na ny velona eo am-piandrasana, na ireo maty natsangana. Hiara-hiakatra ny rehetra aorian'ny hananganan'i Jesosy ireo amin'ny maty.
Ny tantara nanjo ireo olon'ny finoana nohon'ny fanarahina ny fahamarinana voasoratra ao amin'ny Hebreo 11. Rehefa vita ny fitantarana dia izao no hamaranan'ny mpanoratra azy ao amin'ny Hebreo 11: 39, 40 - "Ary ireo rehetra ireo, na dia efa nahazo laza tsara noho ny finoana aza, dia tsy mba nandray ny teny fikasana. Fa Andriamanitra efa namboatra izay tsara lavitra ho antsika, mba tsy hatao tanteraka ireo raha tsy efa mby eo koa isika".
Arak'izany, dia tsy mbola nisy lasa any an-danitra ireo olon'ny finoana maro be nandalo teto amin'ity tany ity. Miandry ny fiverenan'i Jesosy ny fiakaran'ny olombelona rehetra mankany an-danitra. Ho fihaonam-ben'ny voavonjy izany andro izany, na ny nandalo tamin'ny fahafatesana, na ireo velona teo am-pitsenàna an'i Jesosy. Raha maharitra amin'ny finoana Azy isika, sady miaina ny fiainam-pibebahana, dia hahita maso ireo olo-malazan'ny finoana, toa an-dr'i Abela, Noah, Abrahama sy ireo olona maro be avy amin'ny tany rehetra, izay nifikitra tamin'ilay lalana sy fahamarinana ary fiainana.
Mampahery antsika eo am-piandrasana izany andro fanavotana izany ny tenin'Andriamanitra. Hoy Izy ao amin'ny Salamo 27: 14 - "Miandrasa an’ i Jehovah hianao; matokia, ary aoka hahery ny fonao; eny, miandrasa an’ i Jehovah".
Vavaka: Andriamanitra ô, misaotra anao izahay, satria azo antoka ny fiverenan'i Jesosy hamonjy ny olonao eto amin'ity tany ity, sady handresy ny ota sy ny forongony. Ampitoero ato anatinay izany fanantenana izany. Ampio izahay hanadio ny tenanay ho tahaka Anao. Ampiasao koa izahay hizara izany vaovao mahafaly izany amin'ireo tsy mahalala. Tongava Jesosy ô, fa miandry Anao izahay, Amen!
Commentaires
Enregistrer un commentaire