Toko 22—Ny nanagadrana an’ i Jaona sy ny nahafatesany (tapany 2)

Nino i Heroda fa mpaminanin’ Andriamanitra i Jaona, ary nikasa marina ny handefa azy izy. Nangatahany andro anefa ny fikasany noho ny fahatahorany an’ i Herodiasy.

Fantatr’ i Herodiasy fa raha fepetra mivantana dia tsy ho azony na oviana na oviana hanaiky ny fahafatesan’ i Jaona i Heroda, koa nanapa-kevitra ny hampiasa hafetsena izy mba hanatanterahana ny fikasany. Hisy lanonam-pifaliana hatao ho an’ ny manam-boninahitra ao amin’ ny fanjakana, sy ho an’ ny andriana mpanotrona ny mpanjaka noho ny tsingerin-taona nahaterahan’ ny mpanjaka. Hisy sakafo be sy fisotroana ao. Amin’ izay dia tsy hahatandrin-tena i Heroda ka ho voatarika mora foana hanaraka ny sitrapon-dravehivavy.    

Rehefa tonga ilay andro lehibe ka nihinana sy nisotro niaraka tamin’ ny andrianany teo ny mpanjaka, dia nirahin’ i Herodiasy teo amin’ ny trano lehibe filanonana ny zananivavy mba handihy ka hamalifaly ny nasaina. Zazavavy vao nivelatra teo amin’ ny fahatanorany i Salome ka nambabo ny filana ambany teo amin’ ny andriandahy mpilanona ny hatsaran-tarehiny. Tsy fomban’ ny andriambavy mpanotrona ny mpanjaka ny miseho amin’ ireny lanonana ireny, koa nodokadokafana i Heroda rehefa nandihy mba ho fanalan’ andron’ ny olona nasainy ity zanakavavin’ ny mpisorona sy ny andrianan’ Isiraely ity.

Tsy nahalala ny ataony ny mpanjaka noho ny divay. Nanjaka ny filàna ambany ka nirodana ny saina mandanjalanja. Ilay efitrano lehibe fitadiavam-pahafinaretana ihany no hitany sy ireo mpilanonana nasainy, ny latabatra fihinanana, ny divay mandroatra sy ny jiro manjelanjelatra, ary ilay tovovavy nandihy teo anatrehany. Tamin’ io fotoana tsy nitandremany io, dia naniry ny hanao zavatra tia sehoseho izay hanandratra azy eo anatrehan’ ny olona ambony eo amin’ ny fanjakany izy. Nianiana izy nampanantena fa homeny ny zanakavavin’ i Herodiasy na inona na inona angatahiny, eny, na dia ny an-tsasaky ny fanjakany aza.  

Nihazakazaka nankany amin-dreniny i Salome, ahafantarany izay tokony hangatahiny. Vonona ny valinteny : ny lohan’ i Jaona Mpanao batisa. Tsy nahalala ny hetaheta valifaty tao am-pon-dreniny i Salome ka nihemotra hitondra izany hafatra fangatahana izany izy ; nandresy anefa ny fanapahan-kevitr’ i Herodiasy. Niverina ilay zazavavy nitondra ilay fangatahana mahatsiravina : «Tiako raha homenao ahy faingana eto an-dovia ny lohan’ i Jaona Mpanao batisa» (Mar. 6: 25).
 Talanjona sady very hevitra i Heroda. Nijanona ny haravoana sy ny tabataba, ary fanginana tanteraka no nameno ny toeram-pilanonana. Raiki-tahotra ny mpanjaka raha nihevitra izany handatsaka ny ain’ i Jaona. Efa niloa-bava anefa izy ka tsy tiany ny hiseho ho mpitsoa-teny na tsy mihevitra izay iafarany. Natao ho fanomezam-boninahitra ny olona nasainy iny fianianana iny, koa raha nisy iray tamin’ izy ireo namoaka teny hanoherana ny fanatanterahana ny teny fikasany, dia ho fifaliana ho azy ny nanavotra ilay mpaminany. Nomeny fotoana mety ireo nasainy hiteny hiaro ilay mpifatotra. Efa nanao lalan-davitra izy ireo mba handre ny toritenin’ i Jaona, ary fantany fa olona tsy meloka izy sady tena mpanompon’ Andriamanitra. Na dia nanafintohina azy aza ny fangatahan-drazazavavy, dia efa tena adala izy ireo ka tsy nanao fanakianana fanoherana. Tsy nisy olona na dia iray aza nanandratra ny feony hamonjy ny ain’ ilay Mpitondra hafatry ny lanitra. Nitana toerana ambony sy toeram-pitokisana teo amin’ ny firenena ireo olona ireo, ary andraikitra mavesatra no nipetraka taminy ; nanaram-po tamin’ ny fihinanana sy ny fisotroana anefa izy mandra-pahadonto ny retsiny rehetra. Nitodika ho eo amin’ ny zava-maneno sy ny dihy mahafanina ny sainy ; koa dia navela hatory ny feon’ ny fieritreretana. Tamin’ ny alalan’ ny fanginany dia namoaka ny didim-pitsarana hahafatesan’ ilay mpaminanin’ Andriamanitra izy mba hanomezana fahafaham-po ity vehivavy janga namaly faty. 

Niandry foana i Heroda hamahàna ny fianianana nataony; dia tamin’ alahelo no nanekeny ny famonoana ny mpaminany. Vetivety dia nentina teo anatrehan’ ny mpanjaka sy ny olona nasainy ny lohan’ i Jaona. Nikombona ho mandrakizay ireto molotra nananatra an’ i Heroda tamin’ ny fomba mahatoky hiala amin’ ny fiainam-pahotany. Tsy ho re intsony io feo miantso ny olona ho amin’ ny fibebahana io. Ny lanonana tamin’ ny indray alina dia nahavery ny ain’ ny anankiray amin’ ny mpaminany lehibe indrindra.

Impiry impiry moa no natao sorona ny ain’ ny tsy manan-tsiny noho ny tsy fahalalana onony teo amin’ ireo izay tokony hiaro ny fahamarinana. Izay nampitohoka ny kapoaka misy poizina eo amin’ ny molony dia mahatonga ny tenany ho tompon’ andraikitra ny amin’ ny tsy fahamarinana rehetra mety hataony, raha mbola eo ambanin’ ny hery mahadala ao amin’ izany kapoaka izany izy. Donto ny retsika eo aminy ka manjary tsy hainy ny mitsara amin’ ny saina tony na ny mahafantatra mazava ny tsara sy ny ratsy. Mampidanadana ny lalana ho an’ i Satana izy hiasa amin’ ny alalany eo amin’ ny fampahoriana sy ny famonoana ny tsy manan-tsiny. «Mpaniratsira ny divay, ary mpitabataba ny toaka; koa izay miraikiraiky azon’ izany dia tsy hendry». Amin’ izay dia «nahemotra ny rariny. . . ary izay mifady ny ratsy dia hoatra ny manolo-tena ho baboin’ ny sasany» (Oha. 20: 1; 59: 14, 15).  Tokony hotazonina ho meloka amin’ ny heloka bevava izay manam-pahefana araka ny lalàna eo amin’ ny fiainan’ ny mpiara-belona aminy rehefa tsy mahalala onony. Tokony ho mpitandrina lalàna izay rehetra mampihatra ny lalàna. Tokony ho olona mahafehy tena izy. Ilain’ izy ireo ny ho afaka mibaiko tanteraka ny heriny ara-batana sy ara-tsaina ary ara-pitondrantena mba hananany saina mavitrika, sy hahatsapany lalina ny fahamarinana.  
 
Nentina teo amin’ i Herodiasy ny lohan’ i Jaona Mpanao batisa, ary tamin’ ny fahafaham-pon’ ny demonia no nandraisany izany. Nibitabitaka izy teo amin’ izany valifaty izany ka niarahaba tena fa tsy ho voakotaba intsony ny feon’ ny fieritreretan’ i Heroda. Tsy nisy fahasambarana ho azy anefa ny fahotany. Nanjary nalaza sy nankahalaina ny anarany, ary i Heroda kosa nokekerin’ ny nenina nihoatra noho ny tamin’ ny fampitandremana nataon’ ny mpaminany. Tsy nangina ny hery miasa avy tamin’ ny fampia-naran’ i Jaona. Nitatra amin’ ny taranaka mifandimby izany mandrapiavin’ ny farany.  

Teo anatrehan’ i Heroda mandrakariva ny fahotany. Nitady hatrany izay hanamaivana ny fiampangan’ ny feon’ ny fieritreretany meloka izy. Tsy niala fa tafatoetra tao an-tsainy ny fahatokiany an’ i Jaona. Raha nitanisa ny fiainany feno fandavan-tena izy, ny antso miezinezina sy mafana nataony, ny fahaizany mandanjalanja eo amin’ ny torohevitra omeny, ary avy eo mahatsiaro ny fomba mahatsiravina nahafatesany, dia tsy nety nahita fiadanana i Hercoa. Rehefa manao ny raharaham-panjakana izy, ka omen’ ny olona voninahitra, dia endrika mitsikitsiky sy toetra mendri-kaja no asehony, nefa manafina fa mitebiteby izy, ary itambesaran’ ny tahotra mandrakariva fa misy ozona manandindona azy. 

Latsaka lalina tao am-pon’ i Heroda ny tenin’ i Jaona fa tsy misy na inona na inona azo afenina an’ Andriamanitra. Resy lahatra izy fa manatrika amin’ ny toerana rehetra Andriamanitra, vavolombelon’ ilay lanonana tao amin’ ny efitrano lehibe fisakafoana, reny ny baiko nampanapa-doha an’ i Jaona ary hitany ny fibitabitak’ i Herodiasy sy ny fihetsika manevateva nasehony tamin’ ny loha tapak’ ilay mpananatra azy. Betsaka koa ny zavatra efa ren’ i Heroda tamin’ ny molotr’ ilay mpaminany no miteny amin’ ny feon’ ny fieritreretany ankehitriny amin’ ny fomba mazava kokoa noho ny toriteny nataony tany an-efitra. 

Rehefa nandre ny amin’ ny asan’ i Kristy i Heroda dia sahiran-tsaina mafy dia mafy. Noheveriny fa efa nantsangan’ Andriamanitra tamin’ ny maty i Jaona ka nalefany amin-kery bebe kokoa mba hanameloka ny fahotana. Natahotra foana izy sao mamaly ny nahafatesany i Jaona amin’ ny fanamelohana azy sy ny fianakaviany. Nijinja izay efa nambaran’ Andriamanitra fa ho vokatry ny fiainam-pahotana i Heroda, — dia «fo miemponempona sy maso pahina ary fahakiviam-panahy. Ary ny ainao hihevingevina eo anatrehanao, dia hatahotra andro aman’ alina hianao ka tsy hanampo izay ho velona. Nony maraina ny andro, dia hanao hianao hoe : Malakia hariva ! ary nony hariva ny andro dia hanao hoe hianao : Malakia maraina ! noho ny tahotry ny fonao izay hatahoranao sy noho ny zavatra izay ho hitan’ ny masonao» (Deo. 28: 65- 67). Ny eritreritry ny mpanota ihany no mpiampanga azy ; ary tsy mety hisy fampijaliana mahamay noho ny fanindronan’ ny feon’ ny fieritreretana meloka, izay tsy manome fitsaharana azy na andro na alina.

Ho an’ ny saina maro dia misy zava-miafina lalina manodidina izay nanjo an’ i Jaona Mpanao batisa. Mipetraka ny fanontaniana hoe : nahoana no navela hiferinaina sy ho faty tao an-tranomaizina izy. Tsy mety ho fantatsika ny zava-miafin’ io fitondran’ Andriamanitra io izay tsy mazava amin’ ny fomba fijerintsika olombelona, nefa tsy hampihozongozona mihitsy ny fahatokiantsika an’ Andriamanitra izany, rehefa tsaroantsika fa tsy iza tsy akory i Jaona fa mpiray amin’ ny fahorian’ i Kristy. Izay rehetra manaraka an’ i Kristy dia hitondra ny satroboninahitry ny fahafoizan-tena. Azo antoka fa tsy ho azon’ ny olona tia tena izy, ary ho tonga lasibatra ho an’ ny fahasiahana sy ny fanafihan’ i Satana. Io foto-kevitry ny fahafoizan-tena io no mahatapa-kevitra ny fanjakan’ i Satana hofongorana ary hiadiany izany na aiza na aiza hisehoany. 

Nampiavaka ny fahazazana sy ny fahatanorana ary ny fahalehibeazan’ i Jaona ny fijoroany sy ny hery ara-pitondrantena nananany. Rehefa re ny feony tany an-efitra nanao hoe: «Amboary ny làlan’ i Jehovah, ataovy mahitsy ny làlan-kalehany» (Mat. 3: 3), dia natahoran’ i Satana ny maha-azo antoka ny fanjakany. Nambara tamin’ ny tena faharatsiany indrindra ny fahotana ka nangovitra ny olona. Tapaka ny herin’ i Satana tamin’ ny maro izay teo ambanin’ ny fanapahany. Tsy sasatra izy teo amin’ ny ezaka nataony tamin’ ny fisintonana ilay Mpanao batisa hiala amin’ ny fiainana milefitra amin’ Andriamanitra tsy misy fepetra; nefa tsy nahavoa. Tsy nahavoa koa izy ka tsy naharesy an’ i Jesosy. Resy i Satana teo amin’ ny fakam-panahy tany an-efitra ka lehibe ny fahavinirany. Tapa-kevitra izy izao fa hampahory an’ i Kristy amin’ ny famelezana an’ i Jaona. Azony hampijaliana Ilay tsy azony tarihina hanota.

Tsy nisalovana Jesosy mba hanafahany ny mpanompony. Fantany fa zakan’ i Jaona ny fisedrana. Ho fifaliana ho an’ ny Mpamonjy ny namangy an’ i Jaona ka hampamirapiratra ny tranomaizina nitoerany amin’ ny fanatrehany. Nefa tsy tokony hametraka ny tenany eo am-pelatanan’ ny fahavalo izy ka hampididoza ny asa nanirahana Azy. Ho fifaliana ho Azy ny nanafaka ny mpanompony mahatoky. Nefa noho ireo olona an’ arivony izay tsy maintsy handalo tranomaizina sy fahafatesana amin’ ny andro ho avy, dia tokony nisotro ny kapoaky ny maha-maritiora i Jaona. Rehefa hiferin’ aina samirery ao anatin’ ny efitra maizin’ ny tranomaizina ny mpanaraka an’ i Kristy, na rehefa matin’ ny sabatra, noho ny fampijaliana na hodorana velona ao amin’ ny antontan-kitay, toa nafoin’ Andriamanitra sy ny olona, dia fanohanana ny fony manao ahoana ny fieritreretana fa efa nandalo fanandramana toy izany koa i Jaona Mpanao batisa, ary Kristy mihitsy no nijoro ho vavolombelon’ ny toetrany mahatoky.  

Navela hanapaka tangarana ny fiainan’ ny mpitondra hafatr’ Andriamanitra i Satana; fa tsy azon’ ilay mpandringana kasihina kosa ilay fiainana «izay miara-miafina amin’ i Kristy ao amin’ Andriamanitra» (Kol. 3: 3). Nibitabitaka izy fa nampitondra fahoriana an’ i Kristy nefa tsy nahavoa ka tsy naharesy an’ i Jaona. Ny fahafatesana dia nametraka azy fotsiny eo amin’ ny toerana izay tsy tratry ny herin’ ny fakam-panahy mandrakizay. Nasehon’ i Satana ny tena toetra amam-panahiny teo amin’ io ady io. Teo anatrehan’ izao rehetra izao nanatri-maso no nanehoany mazava ny fanafihany an’ Andriamanitra sy ny olona.

Na dia tsy nisy fahafahana mahagaga aza natao tamin’ i Jaona, dia tsy nafoy izy tsy akory. Niaraka mandrakariva tamin’ ny anjelin’ ny lanitra izy, izay namelatra an’ ireo faminaniana momba an’ i Kristy teo anatrehany, sy ireo teny fikasana sarobidy ao amin’ ny Soratra Masina. Nanohana azy ireo anjely ireo, tahaka ny hanohanany koa ny vahoakan’ Andriamanitra amin’ ny andro ho avy. Nomena an’ i Jaona Mpanao batisa, ary nomena koa an’ ireo izay avy atý aoriana ny toky manao hoe: «Indro, Izaho momba anareo mandrakariva ambara-pahatongan’ ny fahataperan’ izao tontolo izao» (Mat. 28: 20).

Tsy mitarika ny zanany amin’ ny fomba hafa noho izay nofidin’ izy ireo hitarihana azy mihitsy Andriamanitra, raha hitan’ izy ireo ny voalohany sy ny farany, ka fantany ny voninahitry ny fikasana tanterahiny amin’ ny maha-mpiara-miasa azy Aminy. Tsy Enoka izay nakarina velona ho any an-danitra, tsy Elia izay niakatra tamin’ ny kalesy afo, no lehibe kokoa na nomem-boninahitra kokoa noho i Jaona Mpanao batisa izay maty samirery tao an-tranomaizina. «Fa hianareo efa nomena noho ny amin’ i Kristy, tsy ny hino Azy ihany, fa ny hiharam-pahoriana koa noho ny aminy» (Fil. 1: 29).  Koa ny fanomezana rehetra azon’ ny lanitra arotsaka amin’ ny olona, ny fiarahana amin’ i Kristy eo amin’ ny fahoriany no lova mavesadanja indrindra sy voninahitra ambony indrindra  
 

< TAPANY 1                                                                                                                          TOKO 23 >

Commentaires

Articles les plus consultés