LESONA 1: Ny plana maty paika
Voalaza mialoha tany Edena ny fiavian'ny Mpamonjy. Rehefa ren'i Adama sy Eva tamin'ny voalohany ny teny fikasana, dia nanantena izany ho tanteraka vetivety izy. Noraisiny tamim-pifaliana ny zanany lahimatoa, ary nantenainy fa izy no ho Mpanafaka. Naharitra ela anefa ny fanatanterahan'ny teny fikasana. Maty tsy nahita izany ireo izay nandray azy voalohany. Hatramin'ny andron'i Enoka dia naverimberina tamin'ny alalan'ireo patriarka sy mpaminany ny teny fikasana, ka namelombelona hatrany ny fanantenana ny amin'ny fisehoany, nefa mbola tsy tonga Izy. Nasehon'ny faminanian'i Daniela ny fotoana iaviany; tsy ny rehetra anefa no nahazo ny hafatra araka izay izy. Lasa nifandimbindimby ny taonjato; nangina ny feon'ny mpaminany. Nitambesatra tamin'ny Isiraely ny tanan'ireo mpanao tsindry hazo lena, koa betsaka no efa niteny hoe: "Mihaela ny andro, ary tonga tsinontsinona ny fahitana rehetra" Eze. 12: 22.
Nefa tahaka ireo kintana mihodinkodina eo amin'ny lalana midadasika nofaritana ho azy, dia tsy mirotoroto na mitaredretra ny fikasan'Andriamanitra. Tamin'ny alalan'ny tandindona nasehon'ny haizina mikitroka sy ny fatana fandoroana mivoa-tsetroka no nanambaran'Andriamanitra tamin'i Abrahama ny fanandevozana ny Isiraely tany Egypta, sy nilazany fa haharitra efajato taona ny hitoerany any. "Ary rehefa afaka izany, hoy Izy, dia hivoaka mitondra harem-bevava izy" Gen. 15: 14. Ho very maina ny ady ataon'ny fahefana rehetra teo amin'ny fanjakana mireherehan'i Farao hanoherana izany teny izany. "Tamin'izany andro izany indrindra, izay voalazan'ny teny fikasan'Andriamanitra, no nivoahan'ny antokony rehetra izay an'i Jehovah tamin'ny tany Egypta" Eks. 12: 41. Toy izan koa, efa tapaka tao amin'ny filan-kevitry ny lanitra ny ora iavian'i Kristy. Rehefa nanondro io ora io ny famantaranandro, dia teraka tany Betlehema Jesosy.
"Rehefa tonga ny fotoan'andro dia nirahin'Andriamanitra ny Zanany". Ny fitondran'Andriamanitra no nitarika ny fizotran'ny firenena sy ny fisamontan'ny fihetseham-pon'olombelona sy ny hery miasa mangina avy aminy, mandra-pahamasak'izao tontolo izao ho amin'ny fiavian'Ilay Mpanafaka. Tafaray tao amin'ny fitondram-panjakana tokana ny firenena. Nisy fiteny iray nampiasaina tamin'ny toerana betsaka, ary nekena hatraiza hatraiza ho fiteny fampiasa amin'ny haisoratra izany. Nivory tao Jerosalema hanatrika ny andro firavoravoana fanao isan-taona ireo Jiosy niely tany amin'ny tany rehetra. Rehefa niverina tany amin'ny toerana nisy azy ireo, dia afaka nampiely ny vaovao momba ny fiavian'ny Mesia eran'izao tontolo izao.
Tamin'izany fotoana izany dia tsy nanan-kery firy tamin'ny vahoaka intsony ny rafitra nisy teo amin'ny fivavahana jentilisa. Valalanin'ny tantara sy ny angano ny olona. Naniry mafy ny fivavahana izay mety hahafa-po ny fanahiny izy. Toa niala teo amin'ny olona ny fahazavan'ny fahamarinana, nefa nisy fanahy izay nitady fahazavana ary feno fahaverezan-kevitra sy alahelo. Nangetaheta fahalalana ny amin'Andriamanitra velona izy, sy fanomezan-toky momba ny fiainana any ankoatra ny fasana ...
Liana dia liana tokoa ireo izao tontolo izao tsy lavo nanara-maso raha hitsangana Jehovah, ka hanao indray mifafa ny mponin'ny tany. Raha nanao izany Andriamanitra, dia vonona i Satana hanatanteraka ny drafitra nataony mba hahazoany antoka ny fanarahan'ny mponin'ny lanitra azy. Efa nambarany fa ny foto-kevitra iorenan'ny fanjakan'Andriamanitra dia mahatonga ny famelan-keloka ho tsy azo tanterahina. Raha noravana izao tontolo izao, dia ho azony natao ny nilaza fa mitoetra ny fiampangany. Vonona ny hanome tsiny an'Andriamanitra izy, sy hanitatra ny fikomiana any amin'ireo izao tontolo izao any ambony. Nefa tsy nandrava an'izao tontolo izao Andriamanitra, fa nirahiny ny Zanany hamonjy azy. Na dia faharatsiana sy tsy fitokisana aza no hita teo amin'io faritany nanalavitra Azy io, dia nisy lalana nomanina mba hamerenana azy. Tamin'ny fotoan-tsarotra indrindra, izay toa handresen'i Satana, dia tonga ny Zanak'Andriamanitra nitondra ny fahasoavan'Andriamanitra. Tamin'ny andro rehetra, tamin'ny ora rehetra, dia efa niasa ho an'ny taranaka lavo ny fitiavan'Andriamanitra. Na dia teo aza ny faharatsian'ny olombelona, dia naseho mazava hatrany ny fanambaran'ny famindrampo. Koa rehefa tonga ny fotoan'andro, dia nomem-boninahira Ilay Andriamanitra tamin'ny nampitosahana teo amin'izao tontolo izao ny riam-pahasoavana manasitrana izay tsy ho voasakana na oviana na oviana, na hajanona mandra-pahatanteraky ny drafitry ny famonjena.
Nibitaka i Satana satria nahomby izy teo amin'ny nanimbany ny endrik'Andriamanitra teo amin'ny taranak'olombelona. Tonga àry Jesosy namerina ny endrik'Ilay Mpanao azy teo amin'ny olombelona. Tsy misy afa-tsy Kristy irery ihany no afaka hamolavola indray ny toetra amam-panahy izay ravan'ny fahotana. Tonga Izy handroaka ny demonia izay efa nifehy an'izao tontolo izao. Tonga Izy hanandratra antsika hiala amin'ny vovoka, hanamboatra indray ny toetra amam-panahy efa simba ho araka ny toetra amam-panahin'Andriamanitra, ka hahatonga azy hanana ny hatsaran-tarehin'ny voninahitry ny tenany.

Ellen Gould White
Commentaires
Enregistrer un commentaire