LESONA 2: Fanavotana tsara lamina

Teo anoloan'ireo mpamory hetra sy mpanota izay nanatona Azy mba hihaino Azy no nampitahan'i Jesosy an'ity tany efa konka sy lao ity amin'ny ondry very iray. Akory ny tombam-bidin-tsika zanak'olombelona eo anatrehan'Ilay Mpahary ity tanintsika ity izay anisan'ireo voary marobe mampitolagaga ny rehetra, na ny tsy nandia fianarana na ny milaza azy ho ambony fahalalana indrindra. Na dia tao aza ny fahalavoany sy ny fahalotoany dia noheverin'ny Lanitra ho mendrika azy ny FAMONJENA. Hoy indrindra mantsy Kristy: "Iza moa no olona aminareo, izay manana ondry zato, ka very ny anankiray, no tsy mandao ny sivy amby sivi-folo any an-efitra ka mandeha hitady ilay very mandra-pahitany azy ?" Lio. 15: 4.

Mampiseho an'ity tany ity ilay ondry very. Voary iray tao anatin'ny maro no naniasia. Ahoana àry no nanatanterahan'Andriamanitra izany drafi-panavotana izany mba hampiverina ao am-bala indray ilay nania ? Ny LANITRA manontolo no voafaoka hanao izany asam-pitiavana lehibe izany. Tao ny RAY, tao ny ZANAKA ary teo koa ny ANJELY.
.
A - ILAY LOHARANOM-PAMONJENA
Tao amin'ny fahalalany tsy manam-petra sy araka ny heriny tsy hay toherina ary noho ny fisiany manerana ny voary rehetra no namolavolan'Andriamanitra drafi-pamonjena ho an'ny olombelona. Eny, talohan'ny nanotan'ny taranak'olombelona aza dia efa vita izany drafitra izany. Ao amin'ny anankiray amin'ny Epistily nosoratan'i Paoly dia milaza izany indrindra izy: "Izay fantatra rahateo fony tsy mbola ary ny fanorenan'izao tontolo izao, fa efa naseho tamin'izao andro farany izao noho ny aminareo" 1Pet. 1: 20. Fitiavana lalina sy tsy manam-petra no nasehon'Andriamanitra ho an'ny olona. Hoy ny mpaminany Jeremia: "Fitiavana mandrakizay no nitiavako anao" Jer. 31: 3. Lehibe loatra izany FITIAVANA izany ka tsy takatry saintsika ny tombam-bidiny. Matetika dia foanantsika tsy ho eo an-tsaintsika izany noho ny tsy finoantsika. Ny fahalementsika sy ny fahalalantsika no mahatonga antsika tsy hahatakatra izay ambaran'ny Tenin'Andriamanitra momba ny fitiavany. Tsy ny drafi-pamonjena novolavolain'Andriamanitra akory no voafetra, fa isika no voafetra ary mametra izany hifanaraka amin'ny maha-voafetra antsika.

"Andriamanitra fitiavana no voasoratra eny amin'ny tsiry vao mivelatra sy eny amin'ny ahitra vao mitsimoka. Ny vorona mahate ho tia izay mampiravoravo ny habakabaka amin'ny hirany mahafinaritra, ny voninkazo misoratsoratra izay mandefa ny fofony manitra mamerovero eny amin'ny rivotra, ny hazo mijoalajoala ao an'ala izay miravaka ny raviny maitso - ireny rehetra ireny dia mitory ny fitiavana fatratra sy ny fitandremana ambony indrindra ataon'Andriamanitra ary ny faniriany hahasambatra ny zanany". Ellen White, Ny Dia ho eo amin'i Kristy, pp. 10, 11.

Andriamanitra Ray no fototra niaingana. Izy no loharano nipoiran'ny drafi-pamonjena. Izy no nisaintsaina izany. Noho izany dia ilaina ny mahafantatra Azy mba hahazoana misaintsaina ny famonjena atolony. Hoy ity mpanoratra mahay anankiray: "Ny Ray izay any an-danitra dia mifandray amin'ny Filazantsara: zava-misy ara-tantara izany". Ernest Naville, Philosophe protestante Suisse, La paternité de Dieu (Le Père céleste, 2èm Edition Gen. 1866, p. 28).

B - IZA NO NANATANTERAKA NY FAMONJENA ?
Valiny: Ny zanaka
Filazantsara. Inona moa izany? Sa ... Iza moa izany ? Io ilay ZANAKA, Io ILAY TENY TONGA NOFO. Io Ilay Filazantsara tian'ny Apostoly Paoly hambara raha hoy izy hoe: "Fa tsy menatra ny FILAZANTSARA aho" Rom. 1: 16. Io Ilay "FILAZANTSARA MANDRAKIZAY hotorina amin'izay monina ambonin'ny tany sy amin'ny firenena sy ny fokom-pirenena sy ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra" araka ny fahitana naseho an'i Jaona Apostoly raha natao sesitany tao amin'ny nosy Patmosy izy (Apok. 14: 6). JESOSY no Ilay FILAZANTSARA.

Jesosy no fahatanterahan'ny drafi-pamonjena. Izy no foibe hiodinan'ny famonjena ny olombelona: "Izaho no làlana sy fahamarinana ary fiainana; tsy misy olona mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako" Jao. 14: 16

Mbola nohamafisin'i Petera Apostoly izany tamin'ny teny nataony tamin'ny mpanapaka tao Jerosalema sy ny loholona, ny mpanora-dalàna, Anasy mpisoronabe, Kaïafa sy Jaona ary Aleksandra mbamin'izay rehetra mety ho havan'ny mpisoronabe, ka hoy izy: "Ary tsy misy famonjena amin'ny hafa; fa tsy misy anarana hafa ambanin'ny lanitra nomena ny olona izay hahazoantsika famonjena" Asa. 4: 12. Teo amin'ny netezany hitafy nofo no nanatanterahany izany. Nilaozany ilay sezam-boninahitra tany an-danitra ka nidina hatrany amin'ny toeran'ny olona ambany indrindra Izy. Eny, hatrany amin'ny toeran'ny olona voaozona no nekeny handehanana sy hizorana, dia ny fasana izany. Izao mantsy ilay ozona mafy indrindra nahazo an'i Adama rehefa nandika ny baiko nomen'Andriamanitra izy: "Fa vovoka hianao ary hiverina ho amin'ny vovoka indray hianao" Gen. 3: 19.

Nilaina izany mba hananantsika fiainana mandrakizay. Hoy Jesosy: "Fa ny mofon'Andriamanitra dia Ilay midina avy any an-danitra ka manome fiainana ho an'izao tontolo izao" Jao. 6: 33.


< LESONA 1                                                                                                                       LESONA 3 >

Commentaires

Articles les plus consultés