LESONA 3: Zanatohatra mahatalanjona

Ndeha ange harahintsika ireo dingana na ireo zanatohatra nadehanan'i Kristy raha nidina hamonjy antsika Izy:

NATERAKY NY VEHIVAVY
Andriamantira Izy, Mpamorona Izy, nefa dia nanaiky hidina ny zanatohatra voalohany ka tonga ZANAK'OLONA, nateraky ny vehivavy. Hoy ny mpaminany Isaia raha naminany ny Aminy: "Fa Zaza no teraka ho antsika, Zaza-lahy no omena antsika" Isa. 9: 5.

NY TENY DIA TONGA NOFO
"Ary ny TENY dia tonga nofo ka nonina tamintsika; ary hitanay ny voninahiny, dia voninahitra miendrika ho an'ny Lahitokana avy tamin'ny Ray, sady feno fahasoavana sy fahamarinana" Jao. 1: 14. Zanatohatra faharoa nidinan'ny Mpamonjy io. Nijanona teo ve ny drafi-panavotana ? Tsia. Ny Apostoly Paoly no nanambara ny dingana fahatelo.

NATAO OTA
"Izay tsy nahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan'Andriamanitra ao Aminy kosa isika" 2Kor. 5: 21. Natao "ota" Ilay tsy nanota. Lasa vongan'ota Jesosy. Mbola nidina ambanimbany kokoa noho io anefa Izy, satria hatreto dia afaka niaraka tamin'ny Rainy Izy, fa teo amin'ny zanatohatra fahefatra dia:

NANDAO AZY NY RAINY
Izao no fanambarana nataon'ity mpanoratra iray raha mitantara ny toe-javatra tao Getsemane izy: "Nandeha lavidavitra Azy ireo Izy - Tsy dia lavitra loatra anefa mba hahitany sy handrenesany Azy - dia niankohoka tamin'ny tany Izy. Lehibe loatra, maizina loatra, lalina loatra ny hantsana ka nipararetra ny fanahy teo anatrehan'izany. Tsy azony ampiasaina ny hery maha-Andriamanitra Azy handosirana io ady mihatra aman'aina io. Amin'ny maha-olombelona Azy no tsy maintsy hizakany ny vokatry ny fahotan'ny olona. Amin'ny maha-olombelona Azy no tsy maintsy iaretany ny fahatezeran'Andriamanitra amin'ny fandikan-dalàna" Ellen White, Fitiavana Mandresy, pp. 738, 739.

NIHANTONA TEO AMIN'NY HAZO
Nanomboka tao Getsemane dia nihanangidy sy niha-mafy tamin'i Kristy ny lalana tsy maintsy hizorany hanatanteraka ny drafi-pamonjena. Taorian'ny nandaozan'ny Ray Azy tao Getsemane ka nanekeny hisotro ilay kapoaka mangindy mba ho fanatanterahana ny sitrapon'ny Rainy, dia tsy maintsy nandalo tamin'ny fitsaran'olombelona izay niafara tamin'ny famoahana didim-pitsarana nanameloka Azy ho faty eo amin'ny hazo Izy. Izany no zanatohatra fahadimy nidinan'i Jesosy. Nanaiky hilanja ny "ozona" Izy, satria voalaza mantsy fa "voaozona izay rehetra mihantona amin'ny hazo". Hoy ny Apostoly Paoly ao amin'ilay taratasy nosoratany ho an'ny Galatiana: "Kristy nanavotra anay tamin'ny ozon'ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy, fa voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra mihantona amin'ny hazo" Gal. : 13.

NY FAHAFATESANA
Dia voahombo teo amin'ny hazo fijaliana Jesosy ary teo no nanitsahany ny zanatohatra fahenina dia ny fahafatesana. Maizina antoandro ny masoandro tamin'io andro Zoma, andro fiomanana ho amin'ny Sabata io. Nanomboka tamin'ny ora fahenina (tokony ho tamin'ny roa ambin'ny folo antoandro teo ho eo) ka hatramin'ny ora fahasivy (tokony ho tamin'ny telo ora folak'andro) no nisehoan'izany. Maty Jesosy. Natolony ny Rainy ny fanahiny. Ny fanahy tian-kolazaina eto dia ny fofonaina na ny "esprit" izay mampiaina sy mampihetsika ny voary. Hoy i Lioka: "Ary niantso tamin'ny feo mahery Jesosy ka nanao hoe: Raiko ô, eo an-tànanao no atolotro ny fanahiko; ary rehefa niteny izany Izy, dia afaka ny ainy" Lio. 23: 46.

NY FIAINAN-TSY HITA
Ny zanatohatra fahafito farany nidinan'i Kristy dia ny fiainan-tsy hita, ny fasana. Mbola i Lioka ihany no manao izao fanambarana izao ny amin'ny fatin'i Jesosy: "Dia nampidininy ny faty ka nofonosiny hariry madinika dia naleviny tao amin'ny fasana nolavahana tamin'ny vatolampy, izay tsy mbola nandevenana olona" Lio. 23: 33.

Tafidina tany amin'ny toerana farany ambany indrindra Ilay Mpamonjy. Zanatohatra fito no nandalovany mba hanatanteraka ny famonjena. Nanaiky hanetry tena Kristy mba hahazoany mamerina indray ilay fiainana tonga lafatra sy feno fahasambarana very rany Edena. Izao no fanambarana nosoratan'i Karl Barth, lehilahy teolojiana iray: "Amin'ny alalan'i Jesosy ihany no ahazoantsika manandrana sy mahita ary mahafantatra amin'ny fomba fijery kristiana, ny amin'ny olana lehibe izay tsy mamela antsika tsy ho talanjona ary tsy  mamela antsika tsy hanao fanazavana diso ny amin'ny fifandraisana misy amin'Andriamanitra sy ny olona. Ny vahaolana tokana ho antsika dia JESOSY KRISTY ihany" Karl BARTH, Esquisse d'une dogmatique, p. 63.

Manampy izany fanambarana izany koa ity lehilahy manampahaizana iray ity raha milaza ao amin'ny anankiray amin'ireo boky nosoratany ny amin'ilay Andriamanitra FITIAVANA, izay nanao ny fomba rehetra hamonjena ilay ondry very: "... Andriamanitra manefa amin'ny ainy, Andriamanitra midina, mifindra toerana ary mety hikodiadia amin'ny hantsana lalina indrindra, mba hamonjy ilay ondry very hevitra ery amin'ny fara-hantsana" Jacques Doukan -, Aux portes de l'Espérence, p. 245.

Tsy nijanona teo foana anefa Izy. Tsy nitoetra teo Izy. Raha izany mantsy no nitranga dia sahala amin'ny fahatongavana hiara-miory fotsiny ihany. Moa ve hiara-mifendrofendro eo anatrahan'ny vesatry ny ozona mahazo ny taranaky ny vehivavy no nahatongavan'i Jesosy ? Tsy tonga lafatra ilay famonjena raha izany fotsiny. Mety hisy zavaboary hafa, eny, mety ho olona mihitsy aza hahafoy ny ainy ho an'ny sakaizany. Ny tantara dia manamarina izany indraindray. Fa ny zava-dehibe dia ny fahazoan'i Jesosy nitondra ny SANTATRA ho porofon'izany. (Jereo Mat. 27: 52, 53). Tsy vitan'olombelona izany. Tsy vitan'ny zavaboary izany. Jesosy ihany no manana izany fahazoa-manao izany.

Eny, nitsangana tamin'ny maty Jesosy. Dingana voalohany indray nohitsahiny teo amin'ny fandresena io. Raha nandeha hitady Azy tao am-pasana ireo vehivavy be fitiavana ta hanosotra menaka manitra ny fatiny tamin'io andro voalohany amin'ny herinandro io, dia tsy ny fatin'ny Jesosy no hitany fa anjely roa izay niteny taminy nanao hoe; "Nahoana no ato amin'ny maty no iadiavanareo ny velona ? Tsy ato Izy, fa efa nitsangana" Lio. 24: 5, 6.

Nitsangana tamin'ny maty Jesosy, nandresy ny fahafatesana Izy. Tsy nahatana Azy tao am-pasana i Satana, ilay rain'ny lainga. Indro fa nanomboka manitsaka ny zanatohatra voalohany miakatra Ilay Mpamonjy. Nandroso ihany ny diany ka indro fa manitsaka ny zanatohatra faharoa Izy. Mbola i Lioka ihany no milaza izany: "Ary raha mbola nitsodrano azy Izy, dia nisaraka taminy ka nakarina ho any an-danitra" Lio. 24: 51.

Niakatra ho any an-danitra Jesosy. Zanatohatra fahatelo. Teo amin'ny andro Pantekosta no nanitsahan'i Kristy io zanatohatra io. "Ary rehefa nasandratry ny tànana ankavanan'Andriamanitra Izy, ary nandray tamin'ny Ray ny Fanahy Masina Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao Izy" Asa. 2: 33. Nasandratra Jesosy. Tsy nijanona teo Izy fa mbola nanitsaka zanatohatra fahefatra. Nambara ho Mpisoronabe ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra Izy: "Koa amin'izay dia miendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin'ny zavatra rehetra Izy, mba ho Mpisoronabe mamindrafo ny mahatoky ny amin'Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny heloky ny olona" Heb. 2: 17.

Misy ifandraisana hatrany amin'ny anton-diany tety an-tany ireo zanatohatra miakatra nodiavin'i Jesosy ireo. Ny fahadimy dia toy izany koa: "Anaka, izany zavatra izany no nosoratako aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin'ny Ray isika, dia Jesosy Kristy, Ilay Marina" 1Jao. 2: 1.

Mpisolovava antska eo anatrehan'ny fitsaran'ny lanitra Izy. Tsy ilay "natao ho ota" intsony Izy fa "Solovava - Ilay Marina". Nisandratra hatrany Izy ka tonga teo amin'ny zanatohatra fahenina: "Ary mihira ny fihiran'i Mosesy, mpanompon'Andriamanitra, sy ny fihiran'ny Zanak'ondry izy manao hoe: Lehibe ny mahatalanjona ny asanao, Tompo ô, Andriamanitra Tsitoha; mahitsy sy marina ny làlanao, ry Mpanjaka mandrakizay".

"Ry Mpanjaka mandrakizay". Niverina Aminy indray Ilay anaram-boninahitra araka ny nambaran'Isaia Mpaminany manao hoe: "Rain'ny mandrakizay". Ary dia nambara fa Andriamanitra Tsitoha hatramin'ny taloha sy ankehitriny ary ho avy izy: "... Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra Tsitoha, Ilay taloha sy ankehitriny ary ho avy ... Hianao Tomponay sy Andriamanitray, no miendrika handray ny voninahitra sy ny haja ary ny hery; fa Hianao no nahary ny zavatra rehetra".

Tafaverina eo amin'ny zanatohatra fahafito ambony indrindra Izy, ilay toerana nilaozany ary tiany hoentina miaraka Aminy hatrany amin'ireo dingana ireo izaly olona manaiky ny famonjena atolony. Raha mivavaka ho an'ny mpianany Izy dia hentitra ny fangatahana nataony tamin'ny Ray: "Ray ô, tiako mba ho any amiko amin'izay hitoerako ireo izay nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitro nomenao Ahy izy ..." Jao. 17: 24. Dingana fito no nidinan'Ilay Zanak'ANDRIAMANITRA HANATANTERAKA ny drafi-pamonjena ary dinga fito ihany koa no tsy maintsy nodiaviny mba hitondra ny vokatra azony tamin'ny fitadiavana ny very.


< LESONA 2                                                                                                                     LESONA 4 >

Commentaires

Articles les plus consultés