LESONA 4: Mpandray anjara mahatoky
Nantsoin'Andiamanitra hanotrona ny Zanaka Izay hiankinan'ny famonjena izy ireo. Araho tsara ange ny fandehan-javatra tao Getsemane nandritra ireo ora faramparany talohan'ny nanomboana an'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana. Ireo anjely no nirahin'ny Ray nampahery ny Zanany: Intelo no nivavaka tamin'ny Rainy Kristy ary dia intelo koa no tonga nampahery Azy ireo anjely. Nila ireo anjely Jesosy, tao amin'ny maha-nofo Azy mba hanohana Azy.
Ankoatra izany dia "iraka" mivezivezy mampitohy an'Andriamanitra amin'ireo olona nandray ny famonjena ireo anjely. Na ny dikan'ilay teny hoe "angelos" aza dia mamaritra tsara izany anjara asan'ny anjely izany. Ny teny hoe "angelos" dia midika hoe "mitondra hafatra", "iraka". Raha mampiasa ny teny hoe "iraka" i Matio ao amin'ny Filazantsara nosoratany (Jereo Matio 11: 10) dia ny teny hoe "angelon", izay nalaina avy tamin'ny teny "angelos" no nampiasainy. Mbola io teny io ihany koa no nammpiasain'ny Apostoly Paoly raha nanoratra ho an'ireo Kristiana tao Galatia izy (Galatiana 4: 14).
Voahetsika avokoa ny vahoakan'ny lanitra manontolo teo am-panatanterakana ny drafi-panavotana antsika. Niantomboka tamin'Andriamanitra Ray izany, izay tompn-kevitra, nihatra tamin'i Kristy Zanany, nahatanterahan'izany, ary nandraisan'ireo anjely anjara. Tsy misy tsirambina na dia kely akory aza hita tamin'ireo teo am-panatanterahana izany asa masina sy ambony loatra izany. Hita ombieny ombieny ny asan'i Satana mitady hitsivalam-pandry hisakana izany asam-panavotana izany, nefa tsy hain'iza na iza notohaina ny fikasan'Andriamanitra. Nanomboka tamin'ny fotoana nitsanganan'i Kristy tamin'ny maty ka nivoahany avy tao am-pasana, dia tanteraka ny anankiray tamin'ireo teny fikasana lehibe indrindra manao hoe: "Dia hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany; izy hanorotoro ny ombelahin-tongony" Gen. 3: 15.
Tamin'ny alalan'izany drafitra izany no nanapotehana ny lohan'i Satana. Azo ny FANDRESENA. Raha izany no anjara noraisin'ny Lanitra manontolo, inona kosa no tokony hataoko sy hataonao ? Ry mpamaky malala, tsy misy afa-tsy ny mandray ilay tanam-pitiavana mitsotra, mitady sy mamonjy ny very, hanafaka anao avy amin'ny fanagejan'ny tsilotsilom-pahotana isan-karazany. Mety ho torovana sy kisy ka tsy afa-mitraka noho ny fahotana ianao. Mety hamafa ny fanantenana nofikirinao koa ny fahotan an-kamamianao. Ekeo ny avotra atolotr'i Jesosy anao ka hiverenan'ny fanantenanao indray.
Raha manaiky ny avotra natao ho azy ilay tany, ilay zanak'ondry nania, dia ho lehibe ny fifalian'ny Tompony. Izao indrindra mantsy no tenin'i Kristy teo am-pamaranana io fanoharana io: "... Ary rehefa hitany iny, dia ataony eo an-tsorony ka dia faly izy; ary rehefa tonga ao an-trano izy dia mamory ny sakaizany sy ny namany ka manao aminy hoe: Avia hiara-mifaly amiko; fa efa hitako ilay ondriko very" Lio. 15: 5, 6.
< LESONA 3 LESONA 5 >

Commentaires
Enregistrer un commentaire