LESONA 5: Satria nitanjaka aho ka dia niery

Noho ny fahotana, noho ny tsy fahamarinana dia very ilay voninahitra avy amin'Andriamanitra. Voninahitra natady antsika. Voninahitra natafy an'Adama sy Eva razambentsika tao Edena. Rehefa avy nanota mantsy izy ireo tamin'ny nihinanan ilay voankazo voarara dia niala teo aminy ilay voninahitr'Andriamanitra ka izao no mba hany valinteny nasetriny an'Andriamanitra, raha nitady azy ireo Izy nanao hoe: "Aiza moa hianao ?": "Nandre Anao teo anivon'ny saha aho; dia natahotra aho, satria mitanjaka ka dia niery" Gen. 3:10.

A - AKANJO SOLON-DRAVINA
Indrisy ! Nihintsana ho azy ilay akanjo nomen'Ilay Mpamorona azy ireo. Niala ho azy teny aminy ilay voninahitr'Andriamanitra ka dia nahatsiaro tena fa nitanjaka izy. Haingana dia haingana ny sain-draolombelona nitady ny vahaolana avy amin'izay heveriny fa mety: "Ary nanjaitra ravin'aviavy izy, ka nataony sikina ho azy" Gen. 3: 7. Ta hanamarin-tena sy hanadio tena teo imason'Andriamanitra izy mivady. Matetika no manao hevi-dravina ny olombelona hanamarinany ny tenany eo anatrehan'Andriamanitra. Indrisy anefa ! Toa tsara maraina ihany ilay ravin'aviavy nozairina teo fa rehefa nifanehatra tamin'ny hafanan'ny masoandro, ary rehefa niantefan'ny hazavan'Ilay Mazava dia maina ka nikainkona ary nampihanjahanja ny ratsy nafenina. Toa mandry ny saina fa takona ny ratsy natao, nefa tsy hitany fa efa makarakara sahady ilay ravina nanakonana ny henatra rehetra.

Ity anefa no mahatalanjona ny amin'ny fitiavan'Andriamanitra: teo no ho eo ihany dia namono biby Andriamanitra ary "nanao akanjo hoditra ho an'i Adama sy ny vadiny ka nampiakanjo azy" Gen. 3: 21. Ilay biby nakana ny hoditra nanaovana akanjo ho azy mivady no natao sorona ka namohy ny ainy noho ny fandikan-dalàna nataony. Biby tsy manan-tsiny niharan'ny fahatezeran'Andriamannitra ary maty noho ny fahotan'i Adama sy Eva.

B - VITA
Nanomboka tamin'izay fotoana izay ka mandra-pahatanteraka ny faminaniana voambaran'i Daniela mpaminany ny amin'ny hamonoana ny Mesia, dia tsy tambo isaina ny biby natao sorona hisolo vaika ny olombelona mpanota. Ny fahafatesan'i Kristy teo an-kazo fijaliana mantsy no sorona faratampony notandindomin'ireny fanatitra rehetra natao ireny ary namarana ny fanaovana sorona rehetra. Hoy mantsy ny fanambarana ataon'i Daniela: "Ary rehefa afaka roa amby enim-polo herinandro, dia hovonoina ny Mesia ka tsy hanana" Dan. 9: 26.

Ndeha hatohintsika amin'ny andininy manaraka izany fanambarana izany: "Ary hanorina fanekena ho herinandro amin’ ny maro izy ary hampitsahatra ny fanatitra alatsa-drà sy ny fanatitra hafa hatramin’ ny antsasaky ny herinandro... " (andininy 27).

Inona tokoa moa no nitranga tamin'ny fotoana nialan'i Jesosy aina teo ambonin'ny hazo fijaliana ? Tamin'ny fotoana "nanolorany ny fanahiny" dia izao no voalaza: "Ary rehefa niantso tamin'ny feo mahery indray Jesosy, dia nanolotra ny fanahiny. Ary indro, ny efitra lamba tao amin'ny tempoly dia triatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany ..." Mat. 27: 50, 51.

Eny, nandritra ny taonjato maro nifandimby talohan'io fotoana io dia nitete ny ra, nandriaka tao amin'ny tabernakely sy tao amin'ny Tempoly noho ny fanatitra natao ho famonjena ny olona ahazoany famelan-keloka izany. Nitohy izany fanaovana fanatitra izany ambara-pahatongan'Ilay tena Sorona, Ilay tena Fanatitra, dia ny Mesia, Izy no fanatitra tonga lafatra. Izy no fahatanterahan'ny fanatitra.

Raha "samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra", ny sorona nataon'i Kristy ny amin'ny tenany kosa dia ampy hamerina izany voninahitra very izany. Mahavelom-panantenana ny tenin'ny Apostoly Paoly ho tohin'io fanambarana mampalahelo nataony io: "... nefa hamarinina maimaimpoana amin'ny fahasoavany izy noho ny fanavotana izay ao amin'i Kristy Jesosy, Izay nasehon'Andriamanitra tamin'ny rany ho fanavotana amin'ny finoana, hanehoana ny fahamarinany amin'ny tsy namalian'Andriamanitra ny fahotana lasa tamin'ny nandeferany, mba hanehoana ny fahamarinany ankehitriny, mba ho marina Izy sady hamarinina izay manana finoana an'i Jesosy" Rom. 3: 24- 26.

Lalina izany fanambarana izany. Io no azontsika antsoina hoe "fon'ny Filazantsara". Mba hahazoana mandray izany fanamarinana izany no ilàna ny hevitra faharoa fonosin'ny teny hoe finoana: fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina. Manantena fa voavela heloka. Mino fa ny RA nalatsaka teo Kalvary dia "FANAVOTANA". Mino fa ny RA nitete teo Golgota dia fanatitra faratampony ho famelan-keloka.

Mazava amintsika akehitriny fa ny finoana tian'i Kristy ho hita amintsika olombelona raha avy Izy dia tsy antokom-pinoana maro isan-karazany izay manahiran-tsaina sy mahavery hevitra ny olona, satria tsy hitany marina izay hizorany. Tsy izany velively. Fahadisoan-kevitra lalina ny fisainana toy izany. Ny irin'i Kristy raha avy Izy dia ny hahita lehilahy sy vehivavy MIJORO HO MAHATOKY, TSY MIVADIKA amin'ny fanekena natao tamin'Ilay Zanak'ondry, eny, na dia hikoa aza izao tontolo izao, ary na dia hihatra aman'aina aza izany; lehilahy sy vehivavy MATOKY FA VOAVELA HELOKA satria nandatsahan'i Kristy ny rany ho fahamarinana sy ho fanavotana azy.


< LESONA 4                                                                                                                      LESONA 6 >

Commentaires

Articles les plus consultés