LESONA 6: Tsia ! Tsy voahombo teo amin'ny hazo fijaliana aho
Voahombo teo amin'ny hazo fijaliana Jesosy. Manaiky izany avokoa ny Kristiana rehetra. Ary izany no torina ombieny ombieny, ary maneran-tany amin'izao fotoana izao. Io Jesosy voahombo io no vovonana hiadian'ny lohany amin'ny hafatra entin'ny Kristiana. Raha tsy manaiky izany izy dia sarotra ny hiantsoana azy amin'izany anarana izany. Ireharehana fatratra izany satria avy amin'izany anarana izany, no fomba ahazoana famelan-keloka. Ny ra nalatsany teo amin'ny hazo fijaliana no hany afaka hikosoka ny fahotana vitan'ny olombelona. Ny Apostoly Paoly dia sahy niantso mihitsy ka nanao hoe: "Fa sanatria raha mba misy hataoko rehareha afa-tsy ny hazo fijalian'i Jesosy Kristy Tompontsika" Gal. 6: 14.
Koa dia niara-voahombo tamin'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana teo Gologota koa ny fahotana. Izay mino sy mandray Azy dia voavela ny fahotany. Indrisy anefa, toa misy ihany koa mihevitra fa misy zavatra fahatelo niara-voahombo tamin'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana, dia ny Lalàna. Ka hoy ireo manana izany fiheveranan izany: rehefa "nohamarinina maimaimpoana amin'ny fahasoavany" dia ampy izany. "Ampy ho anareo ny fahasoavako". Noho izany, nanomboka tamin'ny fotoana nahafatesan'i Kristy teo amin'ny hazo fijaliana dia foana koa ny lalàna. Dia indro àry fa mandray andininy avy ao amin'ny Soratra Masina mihitsy entina hanamarinana izany: "... ary novonoiny ny sora-tànan'ny didy izay miampanga antsika; dia nesoriny tsy ho eo mihitsy izany ka NOHOMBOANY TAMIN'NY HAZO FIJALIANA" Kol. 2: 14.
Voahombo tokoa ve ny lalàna ? Tsy manan-kery intsony ve ny Didy Folo ? Nopotipotehina ve ireo vato fisaka roa natolotra an'i Mosesy teo an-tendrombohitra Sinay ?
Mavesa-danja loatra io andininy vao avy notanisaintsika io ka mendrika ny hanaovana fandinihana manokana mihitsy mba hahazoana manatsoaka fehin-kevitra horaisina.
Ny teny hiodinan'ny hevitra lehibe amin'io andininy io dia ny hoe "SORATANAN'NY DIDY". Inona no tian'ny Apostoly Paoly hambara amin'ireo Kristiana tao Kolosia amin'io teny io ?
Ny teny grika nampiasain'ny mpanoratra ny hoe Sora-tanan'ny didy eto dia ny teny hoe "CHEIROGRAPHON". Tsara dika ny Baiboly ampiasaintsika satria voarakitra tsara ao anantin'ny teny hoe "CHEIROGRAPHON" ny teny hoe "SORA-TANANA". Fa saingy ny fomba nandraisana ny tiany hambara no samy naka ho azy ny mpamaky. Ny tena hevitry ny teny hoe "CHEIROGRAPHON" dia "taratasy fanefana trosa" na sora-tanana manameloka. Raha hadika amin'ny teny frantsay dia hoe "acte redigé" na hoe "document". Dictionnaire Gerc-Français du Nouveau Testament, Maurice Carrez, François Morel, 1971.
Io indray mandeha io ihany no nampisan'ny Apostoly paoly io teny io. Niniany mihitsy ny tsy nampiasa ny teny hoe "nomos" izay midika hoe didy (lalàna). Mampiasa ny teny "nomos" izy, ohatra ao amin'ny Romana 3: 27, 31; 7: 21. Galatiana 6: 2. Nampiasa an'io izy hilazany ny Didy Folo. Amin'ity andininy fahafakaintsika ao amin'ny Kolosiana 2: 14 ity anefa, dia tsy io teny "nomos" io mihitsy no ampiasainy.
Tsy azo lavina izany fa raha milaza ny Apostoly Paoly fa "novonoiny ny sora-tanan'ny didy izay miampanga antsika ... ka nohomboany tamin'ny hazo fijaliana", dia manambara fa nofoanany teo an-kazo fijaliana ireo fanamelohana antsika olombelona rehetra. Raha ampiharintsika eo amin'ny fiainantsika amin'ny fifandraisantsika amin'i Kristy izany dia toy izao: Ny ra nalatsak'i Kristy teo Kalvary no nikosehany ny soratra voatahiry rehetra manameloka antsika. Kristy no manamarina antsika. Amin'izay fotoana izay dia tanteraka ny tenin'ny Apostoly Paoly manao hoe: "Iza no manameloka ? Kristy Jesosy no efa maty, eny, sady nitsangana tamin'ny maty koa ka mitoetra eo amin'ny tanana ankavanan'Andriamanitra ary mifona ho antsika" Rom. 8:34.
Tanteraka koa ny faminanian'Isaia: "Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, dia ho tahaka ny volon'ondry fotsy" Isa. 1: 18.
Izay toetra madio sy fotsy hatolotra maimaimpoana avy amin'ny alalan'ny finoana an'i Kristy izay anefa dia mendrika ny hotehirizina tsy ho voaloto intsony. Eo no miditra an-tsehatra ny Lalàna izay hitondra ny mpanota nohamarinina ho amin'ny fahamasinana. Ny fahamarinana omena ny mpanota iray dia miteraka FANKATOAVANA. Izany no nahatonga ny Apostoly Paoly hilaza hoe: "Koa mahafoana ny lalàna amin'ny finoana va isika ? Sanatria izany ! fa mampiorina tsara ny lalàna isika" Rom. 3: 31.
Henjana sy mafonja ny tenin'ny Apostoly Petera ny amin'io fiverenana handoto indray ny tena rehefa nohamarinin'i Kristy io: "Fa raha misy efa afaka amin'ny fahalotoan'izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an'i Kristy Tompo sy Mpamonjy, nefa voasingotr'izany indray ka resy, ny farany dia ratsy noho ny voalohany. Fa tsara aminy raha tsy nahalala ny làlan'ny fahamarinana toy izay hiala amin'ny didy masina natolotra azy, rehefa nahalala izany izy. Efa mihatra aminy ny ohabolana marina hoe 'Ny amboa miverina indray amin'ny loany', ary 'ny kisoavavy efa nisasa dia mihosim-potaka indray' 2Pet. 2: 20- 22.
Ahoana anefa no fomba hiarovana ny akanjom-pahamarinana nomen'i Kristy tsy ho voaloto ary tsy ho voapentim-pentina indray ? Hoy ny mpanao Salamo: "Inona no hiarovan'ny zatovo ny làlan-kalehany tsy ho voaloto ? Ny fitandremana araka ny teninao" Sal. 119: 9.
Ry mpamaky malala, te hiantso mafy araka izay tratrany ny Lalàn'Andriamanitra ka hanao hoe: "Tsia, tsy voahombo teo amin'ny hazo fijaliana aho. Tsy maty teo an-kazo fijaliana aho fa mbola velona ary ho velona mandrakizay. Tsy mbola lany manja aho amin'ny maha fitaratra ahy (Jak. 1: 22- 25). Mbola mitana ny toerana maha-MPITAIZA ahy aho fa sanatria tsy hoe hazo amoron-tevana (Gal. 3: 24). Mbola te hiaro ireo zatovo amin'ny lalan-kalehany aho. Mbola ta hanafaka ireo olona eo ambany vahohon'i Satana aho satria lalàn'ny fahafahana aho (Jak. 1: 25). Tsia, tsy voahombo teo an-kazo fijaliana aho fa mbola velona ary ho velona mandrakizay".
Hoy Jesosy: "Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny lalàna sy ny mpaminany; tsy tonga Aho handrava fa hanatanteraka" Mat. 5: 17.
< LESONA 5 LESONA 7 >

Commentaires
Enregistrer un commentaire