LESONA 7: Hiroso sa hihemotra ?

Tsy mijanona eo anefa ny lalana ahazoana manatratra ny tanjona izay efa napetratsika tery am-boalohany, dia ny fiainana mandrakizay. Ny fananana finoana fa voavela heloka noho ny amin'i Jesosy dia miteraka FANKATOAVANA Azy amin'ny lafiny rehetra, sy fanatanterahana ny sitrapony amin'ny fahafenoany. Izany sitrapony izany dia hitantsika ao amin'ilay miantsoantso hoe: Tsy voahombo teo amin'ny hazo fijaliana aho. Izany no antony hiantsoana ity dingana faharoa ity hoe fizorana ho eo amin'ny tsy fananan-tsiny sy ny fahamasinana. Hanao ahoana àry ilay dia, hiroso sa hihemotra ?

AMin'ny fotoana hiverenany indray dia tian'i Kristy ny hahita ny vahoakany tsy manan-tsiny sy sy tsy misy pentimpentina. Betsaka ireo andininy ao amin'ny Soratra Masina manizingizina izany. Ndeha ange hitanisa iray na roa amin'izy ireny isika: "... mba hampiorina ny fonareo tsy hanan-tsiny amin'ny fahamasinana eo anatrehan'Andriamanitra Raintsika amin'ny fiavian'i Jesosy Tompontsika mbamin'ny masina rehetra" 1Tes. 3: 13.
"... mba ho raisiny ho an'ny tenany izany ho fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masina sady tsy misy tsiny izy" Efes. 5: 27.

A - NANGATAHINA HO VADY
Raha misy vanim-potoana eo amin'ny tantaran-janak'olombelona iray, nanaovany fanomanana lasa sy maty paika indrindra dia ny fampakaram-bady. Miezaka mihitsy ny mpampakatra, ny lahy izany, mba hiseho ho mendrika sy bikana eo anatrehan'ilay olon-tiany. Toy izany koa ny ampakarina. Andaniana vola aman-karena mihitsy ny fividianana ireo haingo maro samihafa hisehoana amin'io andro manan-daza io.
Ny fiomanan'ny Mpampakatra dia efa lavorary avokoa. Efa vonona Izy. Mahafinaritra ny teny fikasana napetrany ho an'ny Fiangonany raha tety an-tany Izy: "Aza malahelo ny fonareo; minoa an'Andriamanitra, ary minoa Ahy koa, ao antranon'ny Raiko misy fitoerana maro; raha tsy izany dia efa nilaza taminareo Aho, fa handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho. Ary raha handeha hamboatra fitoerana ho anareo Aho, dia ho avy indray ka handray anareo ho any Amiko, ka izay itoerako no hitoeranareo koa" Jao. 14: 15.

Miandry ny Mpampakatra satria ilay ampakarina mbola tsy vonona. Mitare-dretra sy be kenokenona ilay ampakarina. Tsy mety ho tomombana ny fiomanany. Inona àry ity fanomanan-tena tsy mety vita tokony hataon'ny ampakarina ity ? Nahoana no tsy mety ho vonona hihaona amin'ny Mpampaka ny Fiangonana ?

B - MANDRAPAHOVIANA NO HIANDRY NY MPAMPAKATRA ?
Teny indraim-bava no azontsika amaliana fanontaniana napetratsika raha mamarana ny tapany voalohany amin'ity lohateny farany ity isika, dia ny hoe: inona no fanomanan-tena mbola tsy vita ? Mbola tsy tanteraka ny Fiangonana. Izany no valinteny azo omena. Tokony ho tanteraka mantsy izy ary izany no fiomanana tokony hataony. Nosoritin'i Jesosy tsara mihitsy izany tamin'ilay toriteny malaza nataony teo an-tendrombohitra ka hoy Izy: "Koa amin'izany aoka ho tanteraka hianareo toy ny fahatanterahan'ny Rainareo Izay any an-danitra" Mat. 5: 48

Hamafisin'ny Apostoly Paoly izany fahatanterahana izany ao anatin'ireo taratasy nosoratany ho an'ny Fiangonana kristiana : "... Ka hatolotra azy ho an'ny tenany ho Eglizy be voninahitra, tsy misy panda, na ketrona, na zavatra toy izany, fa mba ho masina tsy manan-tsiny amam-pondro" Efes. 5: 27, Baib. Kat. "... mba tsy ho manan-tsiny sady tsy misy fitaka hianareo, dia zanak'Andriamanitra tsy manana adidy eo amin'ny firenena meloka sy maditra ..." Fil. 2: 15. "Ary Andriamanitry ny fiadanana anie hanamasina ny tenanareo manontolo, ka hotahiriziny tsy hanan-tsiny ho amin'ny fahatongavan'i Jesosy Kristy Tompontsika avokoa ny fahahinareo sy ny ainareo ary ny vatanareo" 1Tes. 5: 23, Baib. Kat.

Ary mbola azontsika tohizana izany lisitra manambara ny tokony hataon'ny Kristiana tia ny fisehoan'i Jesosy indray izany. Raha hiverina indray Jesosy dia ta hahita antsika tsy misy pentimpentina sy ho tonga lafatra. Toa sarotra tratrarina anefa izany tanjona izany. Ary izany no mahatonga ny sasany hangovitra sy hilaza hoe: ny fahatanterahana dia arakaraka ny fisehoan-javatra sy ny ifandraisan'ny tena azy, ka ho tratra ihany izany rehefa tonga an-danitra na rehefa manitsaka ilay Tany Vaovao. Eny, mety ho marina izany fahatsorana izany raha miantehitra amin'ny tenantsika isika, raha mitoky amin'ny herin'ny tenany samirery ny Fiangonana. Jesosy Kristy, zoky malalantsika no manome ny fanalahidy: "Ary ho an'Izay (Jesosy) maharo anareo mba tsy ho tafintohina ary hametraka anareo tsy hanan-tsiny eo anoloan'ny voninahiny amin'ny firavoravoana ..." Joda. 24.

Manampy antsika Jesosy eo amin'ny lalana hizorantsika ho eo amin'ny fahamasinana. Hatafiny antsika ny fahamarinany mba hahatratrarantsika izany. Meteza ho tantanany ianao sy ankohonanao mba ho vonona hampakarin'Ilay Mpampakatra sady Mpamonjy antsika.

Hiroso sa hihemotra ? Hoy ny Apostoly Paoly: "Fa isika tsy mba naman'izay mihemotra ho amin'ny fahaverezana, fa naman'izay mino ho amin'ny famonjena ny fanahy" Heb. 10: 39.

Efa narotsany ny rany izay lafo vidy indrindra, mba '"hividianany" anao. Ny fanekenao ny antsony dia hahatonga anao ho MPANKATO. Satria ny fankatoavana no Didiny, miaraka amin'ny fanampiany, no ahazoany manamasina anao. Hoy ny Apostoly Jaona ao amin'ny Apokalypsy: "Indro ny faharetan'ny olona masina, dia izay mitandrina ny didin'Andriamanitra sy ny finoana an'i Jesosy" Apok. 14: 12.



< LESONA 6                                                                                                                       LESONA 8 >

Commentaires

Articles les plus consultés