LESONA 8: Atao ahoana ny ho voavonjy ?
Ny tanjona irin'ny Kristiana rehetra ho tratra dia ny ho velona mandrakizay. Samy manan ny fanambarany ny amin'izany ny Kristiana: ao ny sasany manao hoe paradisa, ny sasany indray milaza fa fiainana mandrakizat, hoy indray ny hafa, fiainana any ak-koatra. Na inona na inona hiantsoantsika azy dia tsy maninona fa ny ilaina dian ny fahatongavan'ny tsirairay avy amintsika any. Ahoana anefa no hahatongavana any ? Aryt raha ho tonga eo amin'ny rahon'ny lanitra Kristy, Ilay Mpamonjy, hanao ahoana ny toetrantsika eo am-pitsenana Azy ?
Misy fanontaniana mampangovitra napetrak'i Jesosy rehefa avy nanao ilay fanoharana ny amin'ilay mpitondra tena nahery nangataka Izy: "Kanefa raha avy ny Zanak'olona, moa hahita finoana ety ambonin'ny tany va Izy ? Lio. 18: 8.
Faniriana miredareda ao amin'i Kristy ny hahita finoana eo amin'ireo olona nanolorany ny ainy rehefa hiverina amim-boninahitra eo amin'ny rahon'ny lanitra Izy. Tsy tiany hisy ho very mantsy isika fa mba ho voavonjy avokoa. Diniho kely ange ity teny tsy manavakavaka ity e: "Raha velona koa Aho, hoy Jehovah Tompo, dia tsy sitrako ny hahafatesan'ny ratsy fanahy, fa ny hialan'ny ratsy fanahy amin'ny làlany mba ho velona izy" Eze. 33: 11. Zavatra roa loha no ilaina amin'izany. Ny voalohany dia FINOANA. Ary io voalohany io no miteraka ny faharoa, dia ny FANKATOAVANA.
A - MAMPITSIRY NY FITOKISANA
Ny finoana ! Inona moa izany ? Raha mampiasa ny teny hoe finoana Jesosy ao amin'ny Lio. 18: 8 dia inona no tiany hambara ? Moa ve milaza an'ireo antokom-pinoana isan-karazany mameno an'ity tanintsika ity Izy ka hilazana fa izaho dia ao amin'ny finoana toy izao, na Izaho kosa dia ao amin'ny sahala amin'izao ? Rehefa izany dia mirehareha fatratra aho mampiasa ilay teny nampitondraina ny mpaminany Habakoka manao hoe: "Fa ny marina ho velon'ny finoany" Ha. 2: 4. Ka na inona na inona antokom-pinoana misy ahy dia ho voavonjy aho. Izany ve ny finoana tian'i Jesosy hambara amin'io andininy io ? ary tiany hananantsika koa ?
Ao amin'ny Baiboly amin'ny teny Grika, teny nanoratan'ireo Apostoly ny Testamenta Vaovao, dia ny teny hoe "pistin" (azo avy tamin'ny teny hoe "pistis") no nampiasain'ny mpanoratra. Maro ny fanazavana azo omena io teny io. Mampiasa imbetsaka an'io teny io ny Apostoly Paoly. Ao amin'ireo epistily nosoratany ka voarakitra ao amin'ny Testamenta Vaovao dia tsy latsaka mihitsy ny intelopolo amby zato no nampiasany ny teny hoe "Finoana". Mampiseho amintsika izany fa zava-dehibe eo amin'ny famonjena antsika ity finoana ity. Ao amin'ny epistily nosoratany ho an'ny Romana ohatra, dia izao no filazany: "Raha tsy mino sy sasany, moa ny tsi-finoany va hahafoana ny fahamarinan'Andriamanitra ?" Rom. 3: 3. Mahafinaritra ahy koa ny dikanteny ao amin'ny Baiboly katolika, nadikan'ny Mompera Jesoita amin'ny vikarian'Antananarivo ho teny Malagasy, manao hoe: "... Moa ny tsy finoan'ireo va hahafoana ny tsy FIVADIHAN'Andriamanitra ?" Rom. 3: 3, Baib. Kat).
B - FINOANA MIDIKA HO FAHAMARINANA
Ny teny grika nampiasain'ny Apostoly Paoly nilazany ny hoe "ny FAHAMARINAN'Andriamanitra" ao amin'ny Baiboly no ampiasain'ny Fiangonana Protestanta ary ny hoe "ny TSY FIVADIHAN'Andriamanitra" ao amin'ny Baiboly ampiasain'ny Fiangonana Katolika dia "TEN PISTIN3. Raha fintinina izany dia izao: FINOANA midika ho FAHAMARINANA na TSY FIVADIHANA. Tsy fivadihana, fijoroana ho mahatoky, amin'ny fahamarinana, eny, "mahatoky hatramin'ny fahafatesana", amin'Ilay tia antsika ka nanavotra antsika, "maharitra mandra-pahafaty", amin'ny fitiavana sy ny fankatoavana Azy. Mahagaga ny firindrana misy ao amin'ny Soratra Masina. Mbola io teny "PISTIS" io ihany koa no ampiasain'ny Apostoly Jaona ao amin'ny Apokalypsy raha nanasa ny Fiangonana tao Smyrna ho "mahatoky hatramin'ny fahafatesana" izy. "Aoka ho mahatoky hatramin'ny fahafatesana hianao, dia homeko anao ny satroboninahitra fiainana" Apok. 2: 10b. Hoy ny fikanteny katolika amin'io andininy io ihany: "Mahareta ambara-pahafaty dia homeko anao ny satroboninahitry ny fiainana" Apok. 2: 10b, Baib. Kat.
Raha hiverenantsika kely ilay andininy ao amin'ny Lioka 18: 8 dia azontsika atao ny milaza hoe: "Kanefa raha avy ny Zanak'olona, moa hahita olona hijoro ho mahatoky na olona maharitra ety ambonin'ny tany va Izy ?". Kristiana mijoro ho mahatoky hatramin'ny fahafatesana sy maharitra ambara-pahafaty, eny Kristiana TSY MIVADIKA, na olona manam-pinoana no tian'i Kristy ho hita raha avy Izy. Eny, Kristiana mijoro ho mahatoky amin'ny fahamarinana ao amin'ny Baiboly, manambara ny Mpamonjy voahombo teo amin'ny hazo fijaliana ary nitsangana tamin'ny maty, niakatra ho any an-danitra ary mbola ho avy indray hitondra fiainana ho an'izay rehetra mino ary koa maharitra amin'ny fanarahana izany fahamarinana izany.
D - MIANTEHITRA AMIN'NY TSY HITA
Misy heviny hafa koa ny teny hoe finoana. Mbola ny Apostoly Paoly ihany no mamaritra izany ao amin'ilay Epistilin'ny finoana, dia ny Epistily nosoratany ho an'ny Hebreo: "Ary ny finoana no fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina, fanehoana ny zavatra tsy hita" Heb. 11: 1.
Fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina. Endrika hisehoan'ny finoana ihany koa io. Manantena ny Kristiana fa ho voavela heloka. Manantena sy mino fatratra izany izy. Tsy izany ve no mamonto ny fo aman'eritreritra raha manonona ilay vavaka malaza nampianarin'ny Tompo ny mpianatra isika ka milaza hoe :"mamelà ny helokay ...". Hoy ihany ny Apostoly Paoly: "... fa samy efa nanota izy rehetra ka tsy manana ny voninahitra avy amin'Andriamanitra". Rom. 3:23.
Eo ambonimbony kely eo dia mindrana mihitsy ny tenin'ny mpanao Salamo i Paoly ka hoy izy (toko faha- 3, andininy faha- 20): "Tsy misy marina na dia iray akory aza". Ny famerenana indray ny toetra marina very noho ny fahotana no ilàna ny finoana. Rehefa manatona an'i Kristy ny tenako ka mangataka famelana Aminy dia manaiky amim-pinoana fa navelany ny fahotako. Amin'izay fotoana izay dia sahy aho mitsambikina ao anatin'ny zavatra mbola tsy fantatro akory, ao antin'ny zavatra mbola tsy haiko akory, nefa kosa matoky aho fa ao ilay tanan'i Kristy mitanty ahy, ao ilay tanam-pitiavana mivelatra handray ahy ka tsy hianjera any ambany velively aho ka haratra na ho diso fanantenana fa manana "fahatokiana ny amin'ny zavatra antenaina".
Izany no atao hoe finoana: miantehitra amin'ny tsy hita, nefa kosa manantena famonjena avy amin'izany zavatra tsy hita nefa inoana izany.
< LESONA 7 LESONA 9 >

Commentaires
Enregistrer un commentaire