LESONA 9: Indry tamy ny mpampakatra
Somary miandriandry akaikin'ny tranon'ny ampakarina ireo zazavavy folo miakanjo fotsy, samy mitondra fanilo mirehitra sy tavoaran-tsolika kely avy isan'olona. Mitaintaina miandry ny fiavian'ny mpampakatra izy rehetra. Naharitra ela anefa izy. Nony afaka ora vitsivitsy dia sasatra izy ireo ka resin-tory. Nisy antso re nony mamatonalina hoe: "Indry tamy ny mpampakatra; mivoaha hitsena azy". Taitra tampoka ireo zatovovavy ka tafatsangana. Mahita ny mpilahatra mandroso izy, hazavain'ny fanilo, ary ravoravo amin'ny zava-maneno. Reny ny feo'ny mpampakatra sy ny feon'ny ampakarina. Nandray ny fanalany ireo virijina folo, nanamboatra azy ary niolomay nanatratra ny mpilahatra. Nanao an-tsirambina anefa ny dimy fa tsy nameno ny tavoara keliny. Tsy nanampo fiandrasana ela toy izany izy ka tsy nanomana izay ilaina amin'izany ...
Sambatra ... ! Omena ireo izay mivoaka hitsena ny Mpampakatra izany hafatra izany. Avy amin'ny hery sy ny voninahitry ny Rainy Izy. Avy arahi'ny anjely masina rehetra Izy. Raha mbola milentika ao anaty haizim-pito izao tontolo izao, dia hisy fahazavana ao amin'ny toerana rehetra misy ny olona masina. Ho hitany miavaka ny fahazavana voalohany avy amin'ny fisehoany fanindroany. Handefa tarara mazava ny famirapiratany, ka higagana eo amin'ireo rehetra izay nanompo Azy Kristy Ilay Mpanavotra. Raha handositra ny tavany ny ratsy fanahy, dia hifaly kosa ny mpanaraka an'i Kristy.
Ellen Gould White
Commentaires
Enregistrer un commentaire