LESONA 7

MANAO AHOANA NY OLONA REHEFA MATY?

Eo amin'ny fahafatesana dia miverina ho amin'ny tany ny nofony, ary ny fanahiny (fofonaina), izay "mahavelona" fotsiny fa tsy hoe zavatra velona, dia miverina amin'Andriamanitra Izay nanome iny. Amin'izay ny olona dia tonga sahala amin'izy talohan'ny famoronana. Raha raisina ho fanahy manana izay maha-izy aey ilay fanahy miverina amin'Andriamanitra, dia toa milaza izany fa miverina amin'Andriamanitra avokoa na ny fanahin'ny ratsy na ny fanahin'ny tsara; ka dia inona indray no ivavahana, fa tsy aleo samy manao izay danin'ny kibony avoka.

Rehefa velona ny olona dia velona izay rehetra maha-olona azy; refa maty izy dia maty avoko izay rehetra maha-izy azy: tena sy fanahy. Tsy ny fanahin'ny olona fotsiny no ho very na ho voavonjy, fa ny tenany  manontolo mihintsy no ho very na ho voavonjy. Ho any an-danitra manontolo isika, no ho any amin'ny afobe manontolo, rehefa vita ny fitsarana antsika. Na izay nanao ny ratsy, na izay nanao ny tsara tety, dia mbola miandry ao am-pasana aloha io fitsarana io.

1- Nanao ahoana ny namoronana ny olona?
Valiny. Ary vovo-tany no namoronan'i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy" (Gen. 2: 7). Vovoka + Fofonaina = olona velona.

2- Inona no miseho rehefa maty ny olona?
Valiny. "Miala ny fofonainy, ka miverina ho amin'ny taniny izy; ary amin'izay no hahafoanan'ny fikasany" (Sal. 146: 4). Vovoka - Fofonaina = olona maty.

3- Inona no fantatry ny maty?
Valiny. "Fantatry ny velona fa ho faty izy; fa ny maty kosa tsy mba mahalala na inona na inona ... Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona ela sady tsy manana anjara intsony mandrakizy amin'izay atao aty ambanin'ny masoandro izy" (Mp. T. 9: 5, 6).

4- Mivavaka amin'Andriamanitra ve ny fanahin'ny maty? Mitahy ve ny olo-masina sy ny razana?
Valiny. Tsia. "Fa tsy misy fahatsiarovana Anao any amin'ny fahafatesana. Any amin'ny fiainan-tsi-hita iza no hidera Anao?" (Sal.6: 5). "Omem-boninahitra ny zanany nefa tsy fantany; ary mietry ireo nefa tsy hitany" (Joba. 14: 21).

5- Moa ve tsy tonga dia mankany an-danitra ny tsara fanahy?
Valiny. Tsia, fa na Davida aza tsy any: araka ny Baiboly, izay mbola ao am-pasana dia tsy any an-danitra tsy akory. Mazava loatra! "Aoka aho mba hilaza aminareo marimarina ny amin'i Davida patriarka, fa efa maty izy ka nalevina koa, ary ny fasany eto amintsika mandraka androany ... Fa tsy Davida no niakatra any an-danitra" (Asa. 2: 29, 34).

6- Koa aiza ary aloha no misy ny maty rehetra?
Valiny. Ao amin'ny Seoly, na fiainan-tsi-hita, dia ny vovoka, na ny fasana, na izay rehetra toerana nahafatesany izany ... mandra-pahatongan'ny fitsanganan'ny marina sy ny ratsy fanahy. "Na dia miandry aza aho, dia ny seoly no fonenako; ao amin'ny aizina no namelarako ny fandrianko" (Joba. 17: 13, Dikan-teny Katolika).

7- Miaraka amin'ny nofo ao amin'ny seoly koa ve ny fanahy?
Valiny. Eny. "Iza no velona tsy hahita fahafatesana, ary zovy no hahafaka ny fanahiny amin'ny herin'ny Seoly?" (Sal. 89: 49, Dikan-teny Katolika).

8- Misy olona sasany fantatra fa efa any an-danitra ve?
Valiny. Eny. Toa an'i Mosesy sy Elia ary Enoka (Mat. 17: 3; Heb. 11: 5).

9- Fomba ahoana no nahatongavany tany?
Valiny. Tsy hoe noho ny fananany fanahy tsy mety maty tsy akory; fa Elia sy Enoka dia nakarina velona ary Mosesy kosa natsangana tamin'ny maty (2Mpanj. 2 : 1, 11; Heb. 11: 5; Joda. 9).



< LESONA 6                                                                                                                   LESONA 8 >

Commentaires

Articles les plus consultés