LESONA 26
Mazava
ary fa ny Sabotsy no sabata kristiana sady andron'ny Tompo. Koa avy
aiza ny fitandremana ny Alahady? Taona maro an-jatony izay, ny
fahefan'ny antokom-pinoana iray atao hoe Katolika romana dia ta
hampiseho ny hery lehibe nananany ka nitady hanova ny
Sabatan'Andriamanitra, mba hahazoany mampifandrindra ny
fitondram-pivavaha amin'ny fitondrana politika, izay samy nataony. Ny
ankamaroan'ny firenena tsy Jiosy tamin'izany dia mpivavaka tamin'ny
Masoandro sy nanokana ny andro voalohany amin'ny herinandro ho
fanomezam-boninahitra io adriamani-tsi-izy io. Anisan'izany ny firenena
romana. Koa rehefa tsy nahomby tamin'ny fanenjehana ireo amperora
Romana, dia niova tetika kosa ny iray taminy, ny amperora Constantin, ka
nivadika ho Kristiana. Koa ny fanjakana Romana dia nanapa-kevitra hanao
ny Alahady ho Sabata Kristiana mba hahamora ny fandraisan'ny mpanompo
sampy ny finoana kristiana. Tamin'ny taona 321 dia nataon'i Constantin
didim-panjakana ny fitandremana ny Alahady; ary ny Konsily Katolika tao Laodikia dia nanamafy an'izany fanovana izany tamin'ny taona 364. Nandritry ny taranaka maro dia voatery nitandrina izany lalàna izany ny olona, satria Katolika ny tany sy ny fanjakana, ka na mpanjaka aza dia azon'ny Papa naongana. Ankehitriny anefa, dieny mbola tsy manarona ny tany indray ny aizin'ny faneriterena ny feon'ny fieritreretana, dia adidintsika ny miverina amin'ny didin'Andriamanitra momba ny Sabata marina.
1- Lazain'i Daniela fa misy fahefana iray hanao inona eto ambonin'ny tany?
Valiny. "Ary hiteny hanohitra ny Avo Indrindra izy sy hampahory ny olo-masin'ny Avo Indrindra, ary hitady hanova fotoana sy lalàna" (Dan. 7: 25).
Noty: a) - Hitady hanova: tsy mety ho voaovany mantsy raha ny marina ny lalàn'i Jehovah, satria any an-danitra no tena misy azy fa dikany fotsiny ny ety an-tany (Apok. 15: 5). b) - Fotoana: ny fotoanan'ny Sabotsy dia nafindrany ho amin'ny Alahady. d) - Lalàna: ny didy faharoa dia nofoanany ary ny sisa dia namboamboariny avokoa, arak'izay hita ao amin'ny Katesizy samihafa. e) - Hanohitra ny Avo Indrindra: ny fomba tsotra indrindra hanoherana ny fahefan'Andriamanitra dia ny fandikana ny lalàny. f) - Hampahory ny olo-masin'ny Avo indrindra: izay rehetra nifikitra tamin'ny Baiboly fa nandà ny didin'ny Eglizy dia naringan'ny Eglizy avokoa taloha, rehefa avy nopetahany anarana hoe heretika sy sismatika sy apostà ary ekskominie; voarakitry ny Tantara izany ka tsy azony lavina.
2- Manaiky ve ny Fiangonana Katolika fa nanao an'io fanovana io?
Valiny. Diniho tsara ireto teny manaraka ireto fa boky sy gazety mihitsy no nakana azy:
a) - "Ny andron'ny Tompo" - 1° Zavatra malaza amin'ny Soratra Masina izany. Ny heneman'andro fiasana dia toa andron'ny olona, sady sarin'ny henemana niasan'Andriamanitra; fa ny andro fahafito nijanonan'Andriamanitra, dia nasainy hijanonan'ny olona koa ka nataony hoe "andron'ny Tompo". Dia sabata, izany hoe fialan-tsasatra no fiantson'ny Jody izany andro izany, dia ataontsika hoe sabotsy, andro fahafito faran'ny herinandro.
2° Fa izao amin'ny maha-Kristiana ny olona izao koa dia ny andro voalohan'ny herinandro, na alahady, no tonga "andron'ny Tompo" sy ankamasinin'ny olona, ary izany dia manjary fanaporofoana ny Eglizy katolika ho hany marina. Satria hita miharihary fa ny Eglizy no nahatonga ny alahady ho "andron'ny Tompo", solon'ny sabotsy, fa tsy ny Soratra Masina akory no nandidy izany ... Koa raha tsy mahalala didy afa-tsy ny Soratra Masina ny protestanta, dia aoka izy hankamasina ny Sabata (sabotsy); fa ny fankamasinany ny alahady dia tsy maha-protestanta azy, fa mahatonga azy ho katolika" (Fivoasana ny Katesizy, nataon'ny R. P. Cadet, Tananarive, Imprimerie Catholique, p. 358).*
b) - "Andro iray angatahin'Andriamanitra ... Ary tsy hoe nangataka fotsiny (Izy) fa nandidy antsika hanome. Ny tenany mihitsy aza no nametra ny andro: "Tsarovy ny andro sabata mba hanamasina azy. Ny andro enina no hiasanao sy hanaovanao ny taozavatrao. Fa ny andro fahafito dia sabata voatokana ho an'Iaveh Andriamanitrao" (Eksaody XX, 8- 10).
"Mankamasina ny andro Alahady. Fanovana andro fotsiny no nataon'ny Eglizy, fa efa nomena moa ny fahefana rehetra, ka dia tsy nihambahamba akory izy ..."
"Ny Amperora Constantin (321) no nampiditra tao amin'ny Lalàm-panjakana ny fankamasinana ny andro Alahady tao amin'ny fanjakany manontolo". (Ny Gazety: Feon'ny Marina, 15 Septembre 1940, p. 165, 166).*
d) - Teny sasantsasany tokony hatao amin'ny Protestanta ity. Mazava ao amin'ny Soratra Masina ny didin'Andriamanitra hoe: MANKAMASINA NY ANDRO SABATA (SABOTSY)". Sabotsy hatrany hatrany ny andron'ny Tompo tamin'ny Testamenta Taloha; Sabotsy koa tamin'ny Testamenta Vaovao fony fahavelon'i J. K. . Ary na dia ankehitriny aza mbola Sabotsy no tanan'ny Jody ho andro fivavahany.
Hatramin'ny teny voalohany ka hatramin'ny teny farany ao amin'ny Baiboly manontolo, dia tsy misy didy milaza fa tsy maintsy hohamasinina solon'ny Sabotsy ny Alahady. Koa inona sa iza no nihavian'izany, raha tsy ny Eglizy katolika ... ? Tsy manaiky afa-tsy ny Soratra Masina izahay, hoy i Lotera sy Calvin sy ny namany. Raha izany nahoana izy manohitra isan'Alahady ny Baiboly izay mandidy hanamasina ny Sabata? Nahoana no manaiky ny Eglizy izay mandidy hanamasina ny Alahady?
"Raha tsy hamasinina ny Sabotsy dia tena voatsipaka mihitsy ny Soratra Masina; raha ankamasinina kosa ny Alahady, dia ekeny tokoa ny Eglizy, araka ny fanaon'ny Katolika" (Tantara Fohin'ny Eglizy Katolika, mitondra ny ny 'Imprimatur' - n'i Mgr C. R. Givelet, Vicaire Apostolique - n'i Fianarantsoa, p.28).*
e) - "Mampieritreritra ny mampahatsiaro ny amin'ity zavatra ity, fa ny fitandremana ny Alahady, izay hany fotoam-pivavahana eo amin'ny fivavahana protestanta, dia tsy hoe tsy miorina fotsiny ihany amin'ny Baiboly, fa tena mifanohitra amin'ny vakin'ny Baiboly, izay mandidy ny fitsaharana amin'ny Sabata na Sabotsy ... Noho izany ny fitandreman'ny protestana ny Alahady dia voninahitra anajany ny fahefan'ny Eglizy na dia toa tsy sitrany aza izany" (Causerie sur le Protestantisme d'Aujourd'hui, nataon'ny Mgr de Ségur, Paris).*
3- Moa ve zava-dehibe indrindra tamin'i Kristy ny fitandremana ny Sabatany?
Valiny. Eny. Niezaka hanala ny hevi-diso rehetra momba ny Sabata Izy, na dia hihatra amin'ny aina aza izany. "Koa amin'izany dia mety ny manao soa amin'ny Sabata. Dia hoy Izy tamin-dralehilahy: Ahinjiro ny tànanao. Dia nahinjiny ka sitrana ho tahaka ny anankiray. Ary ny Fariseo dia lasa ka niara-nisaina mba hahafaty Azy" (Mat. 12: 12, 14).
4- Mety amin'izay nahazo fahazavana ve ny mitoetra ao amin'ny fahadisoan'ny razana?
Valiny. Tsia. "Ary Izy namaly ka nanao taminy hoe: Nahoana kosa hianareo no mandika ny didin'Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo? ... Koa dia foananareo ny tenin'Andriamanitra noho ny fampianarana voatolotra anareo. Ry mpihatsaravelatsihy, marina ny naminanian'Isaia anareo hoe: 'Ity firenena ity manaja Ahy amin'ny molony; fa ny fony kosa lavitra Ahy. Koa foana ny ivavahan'ireo Amiko, raha mampianatra ny didin'olombelona ho fampianarana izy'" (Mat. 15: 3, 6 - 9).
Noty: Misy olona milaza fa mba ho fahatsiarovana ny nitsanganan'ny Tompo no ankamasinany ny Alahady. Izao anefa no fanontaniana mipetraka: Moa ve izany didin'olombelona momba ny fitsanganan'ny Tompo izany, mahafoana ny didin'Andriamanitra momba ny famoronana sy ny famonjena?
Commentaires
Enregistrer un commentaire